• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Spat
Image
Vaovao

Fadintseranana malagasy : Fiara 300 isa no hatao lavanty, ao amin’ny seranan-tsambon'i Toamasina

25/04/2024 11:43 © Moov.Mg

Fiara manodidina ny 300 isa nahazoana famotsorana haba mipetraka ao amin’ny seranan-tsambon'i Toamasina no horavana sy hatao « pièces détachées », ka hanaovana lavanty misy fepetra, noho izy ireo manohintohina ny fivezivezena.

Hatao « pièces détachées »

Manana familiana an-kavanana, izay voarara eto Madagasikara ny fampiasana azy, ny ankamaroan’ireo fiara ireo, na ihany koa efa nipetraka tao an-taonany maro tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, araka ny fanazavan’ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisira notanterahina omaly. Araka ny tapaka dia horavana sy hotapahana ireo fiara ireo, ka ao amin’ny seranan-tsambon'i Toamasina ihany no hanatanterahana izany, mialohan’ny hanaovana ny lavanty misy fepetra. Satria tsy hamidy amin’ny maha-fiara azy izy ireo fa hamidy hatao kojakojam-piarakodia mitokana, dia hotapaha ny "chassis" misy ny laharana hamantarana azy ary ho esorina ny takelaky ny nanamboatra ny fiara (plaques constructeurs), mba hisorohana ny mety ho fanambarana azy ireo indray. Ny nahazo ny lavanty no mandray an-tanana ny saran'ny fandravana sy fanapahana ary hatao eo ambany fanaraha-mason’ny sampan-draharahan'ny fandintseranana sy ireo sampan-draharaha teknika voakasika ary ny foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) izany.

Fampidiram-bolam-panjakana

Amin’ny ankapobeny dia sady fampidiram-bolam-panjakana ny fanaovana lavanty tahaka izao, no sady ho fanamaivanana ny fitehirizan’entana eo anivon’ny seranan-tsambo ihany koa. Misy lalàna mazava mifehy azy anefa, ary misy komity manokana mikarakara io lavanty io. Isan’ny tsy maintsy hotanterahina ny fampahafantarana ny antsipirihan’izay ho fizotran’ny lavanty, amin’ny daholobe, amin’ny alalan’ny haino vaky jery isan-tsokajiny. Tanjona ny hisorohana ny kitranoantrano, fa mba ho afaka handray anjara malalaka izay rehetra te-hanao izany, araka ny tatitry ny filàn-kevitry ny minisitra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo