• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © L'Etudiant
Image
Asa & Fianarana

Vao vita fianarana : ireo toe-tsaina mila hananana rehefa mitady asa

26/03/2024 14:16 © Moov.Mg

Maro tokoa ankehitriny ireo tanora nahavita fianarana sy nahazo diplaoma no tsy an’asa. Na eo ary ny olana eo amin’ny tolotra sy ny tinady dia tsikaritra fa eo amin’ny toe-tsain’ireo tanora mitady asa no sakana lehibe kokoa mahatonga azy ireo tsy mahita asa. Fa ahoana tokoa ary ny toe-tsaina tokony hananan’ny tanora nahavita fianarana rehefa mitady asa ?

Tsy miavona asa

Isan’ny toe-tsaina iray mahatonga ny tanora vao nahavita fianarana tsy ahita asa ny fiavonana asa. Maro amin’izy ireo no mihevitra fa rehefa manana diplaoma ambony dia tonga dia misahana andraikitra ambony amin’ny toeram-piasana. Diso tanteraka nefa izany fisainana izany satria, ankoatra ny fahaizana notovoizina tany am-pianarana dia misy ireo fahaiza-manao hianarana eo am-panatanterahana ny asa. Noho izany, mila maka traikefa amin’ny toerana ambany aloha vao misondrotra tsikelikely.

Tsy miavona karama

Samy maniry ny hisitraka karama ambony mifanaraka amin’ny diplaoma hanana avokoa ny rehetra. Raha vao manomboka mitady asa voalohany kosa nefa ireo tanora vao nahavita fianarana dia tsy mety ny miavona karama. Araka ny voalaza eo ambony dia mila maka trai-kefa eo amin’ny sehatry ny asa ka manomboka amin’ny karama kely aloha vao miakatra tsikelikely. Sarotra tokoa ny mahita asa ho an’ireo izay mametraka ny vola sy ny karama alohan’ny fahazoana trai-kefa.

Mazoto mikarokaroka

Efa maro ankehitriny ireo fomba samihafa ahafahana mitady asa raha tsy hitanisa afatsy ireo tambazotran-tserasera, ireo karazana hetsika hampihaonana ny orinasa sy ireo mpitady asa, ireo gazety… Mila manana toe-tsaina tia sy mazoto mikarokaroka ny tanora vao nahavita fianarana rehefa mitady asa. Tsy tokony mitsahatra mitady raha tsy mahita ny asa mifanaraka amin’ny fianarana natao. Marina fa maro tato ho ato ireo orinasa mandray mpiasa maro ary mora hidirana toy ireny « Call Center » ireny. Raha toa kosa ka tsy mifanaraka amin’ny fianarana norantovina na ny asa tiana atao izy ireny dia tsy tokony mionona amin’izany fa manohy hatrany ny fikarohana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo