• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Toutvert
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo vokatsoa azo amin’ny fihinanana voanatsindrana na « pok pok »

26/03/2024 11:24 © Moov.Mg

Isan’ireo voankazo betsaka eto amintsika ny voanatsindrana fa mbola vitsy ireo mihinana izany matetika. Maro ny fomba ahafahana mihinana azy, azo hanina amin’izao, atao « confiture », atao ranom-boankazo, atao fangaron’ny salady… Fa inona ary ireo vokatsoa azo amin’ny fihinana voanatsindrana na ny « pok pok » ?

Mampitombo ny hery fiarovana

Voankazo iray manankarena Vitamina C sy « Phosphore » ny voanatsindrana. Ireo singa roa ireo dia mandray anjara feno amin’ny fampitomboana sy ny fanamafisana ny hery fiarovana ao amin’ny vatana. Tsara izany ny mihinana voanatsindrana matetika ho an’ireo olona manana hery fiarovana marefo ka mora andairan’ny sery sy gripa na ihany koa mora reraka vao manao zavatra mafimafy ny vatana.

Manatsara ny fiasan’ny hozatra

Ahitana « potassium » sy « magnésium » amin’ny tahany ambony ihany koa ao anatin’ny « pok pok ». Ireo singa ireo dia manampy amin’ny fanatsarana ny fiasan’ny hozatra. Mety tsara hoan'ireo mpanao fanatanjahantena sy ireo miaina ao anaty rotoroto noho izany ny fihinanana ity karazana voankazo ity. Voalaza ihany koa fa misoroka ireo fanaintainana vokatry ny fikainkonan’ny hozatra mandritra ny fampiasana vatana be loatra na mandritra ny fanantanjahantena ny voanatsindrana. Mandaitra kokoa izy io raha ampiarahana amin’ny sakafo mitondra proteina.

Manatsara ny fandevonan-kanina

Mitondra fibra betsaka tokoa ny voanatsindrana. Noho izany dia voankazo iray manampy amin’ny fanatsarana ny fandevonan-kanina izy io. Mety atao tsindrin-tsakafo tsara rehefa avy mihinana sakafo mavesatra na saro-devonina. Ankoatra izay dia mora mahavoky ny voanatsindrana nefa kely kaloria. Azo ampidirina tsara anatin’ireo karazana sakafo hanina rehefa manena vatana izany izy io. Tsara kokoa raha voanatsindrana nahamainina (séchés) no safidiana amin’izany.

Manampy amin’ny fiadiana amin’ny homamiadan’ny vavony

Ahitana vitamina C amin’ny tahany ambony ao anatin’ny voanatsindrana. Efa voalaza teo ambony fa mampitombo ny hery fiarovana ao amin’ny vatana izy. Noho ny habetsahan’ny vitamina C ao aminy ihany koa dia mitahiry « antioxydants » ihany koa ny voanatsindrana. Ny « antioxydants » dia mandrisika ny famokarana sela mena ara-dalàna anaty rà. Noho izany dia mandray anjara betsaka amin’ny fiadiana sy ny fisorohana ny homamiadana, indrindra ny mahakasika ny vavony, ny fihinanana « pok pok ».

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo