• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Huffington Post
Image
Sexualité & Mariage

Vehivavy tsy mahazo fahafinaretana rehefa miray ara-nofo : ny antony ?

25/03/2024 15:07 © Moov.Mg

Maro tokoa ny vehivavy no tsy tonga amin’ny fahafinaretana fara-tampony (orgasme) rehefa miray ara-nofo. Isan’ireo antony lehibe mahatonga azy ireny halaina hiray amin’ny vadiny moa izany toe-javatra izany. Fa inona tokoa ary ireo mety ho antony mahatonga ny vehivavy tsy ho tonga amin’izany fahafinaretana ara-nofo izany mandritra ny firaisana ara-nofo ?

Ny tsy fahafantarana

Ny tsy fahafantarana no isan’ny antony voalohany mahatonga ny vehivavy tsy ho tonga amin’ny fahafinaretana fara-tampony (orgasme) rehefa miray ara-nofo. Raha tsy hainy ny fomba hahazoany fahafinaretana dia tsy afaka ny hanoro ny vadiny ny tokony atao ahatongavany amin’izany ihany koa izy. Ny ankamaroan’ny vehivavy manao « masturbation » dia mahay tsara ny vatany sy ny fomba atao ahatongavana amin’izany fahafinaretana fara-tampony izany mandritra ny firaisana ara-nofo.
Mora ho azy noho izany ny milaza sy manoro ny vadiny ny tokony atao ahazoany fahafinaretana. Ankoatra izay dia misy ireo vehivavy tsy mahafantatra mihintsy ny fisian’ny « orgasme ». Mety mahazo fahafinaretana ihany izy mandritra ny firaisana ka mionona amin’izany satria tsy fantany hoe mbola misy ny fahafinaretana fara-tampony.

Ny henatra ny vady

Sakana iray lehibe mahatonga ny vehivavy tsy ho tonga amin’ny « orgasme » ny henatra ny vady. Na fantany ary ny fomba na fihetsika tokony atao mandritra ny firaisana mba ahazoany fahafinaretana fara-tampony dia tsy sahy manoro izany ny vadiny izy noho ny henatra.
Na miezaka mafy mikaroka ny fomba atao hanomezana fahafinaretana ny vehivavy aza ny lehilahy dia tsy voatery ho hitany izany. Izay indrindra no ilaina ny fahasahian’ny vehivavy manoro ny vadiny mandritra ny firaisana ara-nofo mba ahatongavany amin’ny « orgasme ».

Ny fitoniana ara-tsaina

Misy fiantraikany lehibe amin’ny kalitaon’ny firaisana ara-nofo ny fitoniana sy ny fahavononana ara-tsaina, indrindra ho an’ny vehivavy. Rehefa miadin-tsaina, mitebiteby, miferotr’aina na vizaka ny vehivavy dia ela kokoa vao taitra ny vatany sy ny filàna ara-nofo ao aminy.
Mety tsy ho tody amin’izany mihintsy aza raha toa ka tsy ampy ny tambitamby sy ny safosafo ataon’ny vatany azy. Rehefa tsy taitra ny vatany dia tsy ho mando mihintsy ny fivaviany ka lasa marary rehefa miray ara-nofo. Mazava ho azy fa tsy ho tonga amin’ny « orgasme » mihintsy izy amin’izay fotoana izay.

Ny antony ara-batana

Misy ihany koa ireo antony ara-batana mahatonga ny vehivavy tsy ho tonga amin’ny fahafinaretana fara-tampony. Tsy dia fahita matetika moa izany nefa tsy azo hamaivanina ihany koa. Anisan’izany ny fisian’ny aretina izay mety mampihena ny fahafahan’ny saina mibaiko ny vatana, toy ny diabeta.
Misy ihany koa ireo olana mahakasika ny taovam-pananahana toy ny « sècheresse vaginale ». Izany hoe makiana ny fivaviana lava ny fivaviana ka sarotra ny mahazo fahafinaretana rehefa miray. Mety misy fiantraikany amin’ny tsy fahatongavana amin’ny « orgasme » ihany koa ny fihinana fanafody sasan-tsasany, ny fisotroana toaka be loatra na ny fandraisana zava-mahadomelina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo