• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © L'Odyssée De La Terre
Image
Tantara

Tantara indray miseho : Avana misy mainty

20/03/2024 08:52 © Moov

Mbola tsy manangasanga akory ny faha-telopolo taonako dia efa hitako ny karazan-dokon-danitra rehetra : matetika manjombona, indraindray mazavazavaratsy, mbetika mazavabe, misy fotoana ihany koa nefa manjelanjelatra. Tsy misy maharitra ireo satria marobe no manova azy ireo ao anatin'ny fotoana fohy : mitsoka ny rivotra, na mandroso ny ora, na avy ny orana dia miova ny loko. Eto am-baravarankely aho no mitanisa ny fiainako : avana misy mainty ! Toa mamiratra nefa tsy ilaozan'izay aloka manamainty ny masoandro miposaka.

Fizarana voalohany : Ny nahafatesan'i Neny

Fanaonay sy neny ny mikarakara voninkazo eo an-jaridaina isan-kariva. Mpianatra teny amin'ny CEG moa aho ka tsy miverin-kariva izahay. Faly ery aho milalao sy manampy an'i neny amin'ny raharaha isan-karazany. Fa io fotoana niarahanay teny an-jaridaina io no tena nankafiziko. Rehefa akaiky iny ny filentehan'ny masoandro, mahatazana avana eny amin'ny faravodilanitra izahay. Na dia namiratra tokoa aza ilay antsiben'Andriamanitra dia nosembanan-drahona mainty izany.
-Rojo ah, toa fanimpanina izany aho retsy. Aleo aloha isika roa hiditra any an-trano dia hitsotsotra kely mihitsy aho
-Toa lasa malemilemy be tampoka teo i neny ? Etsy ary aloha ampiako handeha moramora e, efa mba lava sy matanjaka ihany ny zanak'i neny azo iankinana tsara
-Tonga ihany retsy. Aleo atao somary avo ny ondako fa toa tsy mahazo aina mihitsy aho izany. Mandehana aloha anamboary dite mamy be aho fa tena kely ny aiko ...
Narary i neny, toa tsy dia naninona ny fahitako azy. Tsy nahahetsika teo ambony fandriana intsony nefa izy. Telo herinandro teo ho eo no nitsaboana azy, telo herinandro efa nifanaovanay veloma sahady, telo herinandro naharitra ny fanananay rehetra.
-Rojo a, voan'ny homamiadana aho. Fantatrao tsara fa lafo dia lafo ny fitsaboana, ary vidiana hatramin'ny segondra iainana. Hitako tena efa lany hevitra ny rainao amin'ny fitadiavana ny vola hitsaboana ahy sy ny sakafontsika. Efa bokan-trosa anie isika anaka e
-Neny o, raha mba azo atao re dia izay hahasalama anao atao e, efa miezaka anie izaho sy dada e. Izaho ary anie ry neny efa mikarama kely mantsaka ranon'olona mba hihinanan'i neny ron'akoho e
-Misaotra zanako a, zaza hendry ianao, saingy aza atao sorona noho ity reninao re ny fianaranao e, izaho anie tsy ho eo foana e, ny fianarana no lovanao
-Aza miteniteny foana moa ry neny a, mbola mila anao anie aho e, mila anao ihany koa dada, iza indray no hiara-hijery amiko ilay avana tsaraloko eo an-jaridaina ?
-Tsy mamiratra foana anaka ny fiainana, fa indraindray manjombona. Tadidio nefa fa tsy misy haizina hitoetra fa tsy maintsy tonga ny mazava...
Andro vitsy taorian'io resakay io dia nandao anay i neny. Soa fa nisy ireo havana nanampy tamin'ny fikarakarana ny razana sy ny fandevenana satria tena tsy nanambola intsony i dada na ariary aza. Ny vidim-panafody tao amin'ny hopitaly rahateo tsy maintsy naloa daholo. Niezaka nampiseho tamiko i dada fa nitraka nanoloana ny fahoriana, tsapako nefa ny ratra ao anatiny, na dia tsy nahalatsa-dranomaso aza izy.
-Lasa iny reninao Rojo, hitanao ny fahasahiranantsika, nefa tiako ianao mba hanohy ny fianaranao
-Dada ah, ny trosan'olona amintsika aza manginy fotsiny, ka aleo re aho hanampy anao amin'ny fitadiavana aloha e, hianatra ihany aho fa aleo miandry amin'ny fidirana manaraka, efa volana febroary isika izao nefa ny lesona aty amiko aza efa banga be
-Rojo a, vao 14 taona anie ianao e, mbola tsy ampy taona, ataoko ahoana ny hampiasa anao
-Tsy maninona re ry dada, fa aleo mifanampy e
Nisy fianakaviana mpanakarembe nanaiky hampiasa ahy teo an-tanàna. Naman'i neny rahateo ilay madama ka tsy nanano sarotra ny fifampiresahana. Nazavain'i dada tsara nefa fa tsy haharitra aho satria mbola hiverina hianatra afaka volana vitsivitsy maromaro. Niadana tokoa aho, satria sady tsara akanjo no tsara sakafo. Nanome boky ahy ihany koa izy ireo mba tsy hanadinoako ny fianarana. Tsy nisy banga ny karamako nomena an'i dada, nefa aho efa voky tsara vao mody, ary matetika aza mitondra sakafo ho an'i dada. 7 volana teo ho eo no niasako, ary tao anatin'izay fotoana izay dia nanam-potoana tsara i dada nanefana trosan'olona, nitadiavana asa ary namerenana tamin'ny laoniny ny fiainanay.

Fizarana faharoa : Ny nandaozan'i Dada

18 taona aho no afaka bakalorea. 4 taona no nahafatesan'i neny. Tena nikarakara ahy tokoa i dada. Nangata-tso-drano tamiko nefa izy fa hanambady satria mila namana, sady efa miha-lehibe aho.
-Vao firy taona ve izay ry dada ny nahalasanan'i neny dia hanambady sahady ianao ? Sao mba tsy rariny ?
-Efa efa-taona izay Rojo a. Lazao ahy izay adidy tsy vitako taminao anie e, tena nanao izay ho afako aho. Ny olona ho vadiko rahateo anie tsy sanatria hanilika anao e. Vehivavy mananontena sady namoy anaka i Sahondra, tsy izy mihitsy no hanao toetran-drenikely aminao
-Iza koa no hino an'izany ry dada ...
Andro sabotsy no nentin'i dada tao an-trano i Sahondra. Vehivavy tsotra fitafy sy tsotra fiteny. Tsy nisy nampanahy mihitsy ny fihetsiny, saingy tsy mbola fantatro tamin'izany ny tena toetrany. Nivezivezy tao an-trano nandritra ny roa volana teo ho eo izy ka nitoetra avy eo. Tsy nahasolo an'i neny akory izy, saingy tena be fitiavana sady azo ianteherana tsara, na eo imason'i dada na rehefa izahay mianaka irery. Dimy taona niaraha-niaina taminay i Mama Sahondra no narary i dada.
-Aza mandany volabe amiko ianareo mianaka fa efa lalan'ny mody aho e
-Olona tsy ampy dimampolo taona akory ve rangahy ity dia manozon-tena sahady ? Efa manao izay ho afakay anie izahay mianaka e. Rojo ary ity lasa manao asa roa mihitsy mba hahafahana mividy ny fanafodinao
-Marina izany ry dada a, izay hahasalama anao atao e
Nirotsaka moramora ny ranomason'i dada. Nangataka ahy izy mba hividy zavatra aloha, nefa fantatro tsara fa te hiresaka irery amin'i mama izy. Nivoaka tokoa aho, saingy nijanona tao an-drindrina nihaino ny resak'izy ireo.
-Sahondra a, misaotra anao eram-po eran-tsaina aho tamin'ny fitiavana lehibe nasehonao taminay mianaka nandritra izay dimy taona izay. Tsy mbola nahita na nahare aho hoe nampijalianao i Rojo, na dia zana-drafinao aza
-Inona moa no heverinao fa tombontsoako raha nampiseho toetra ratsy taminy aho ? Na dia renikely aza aho, tena zanako ny fandraisako azy, zanako satria zanakao, ianao ilay tsy iza fa ilay tena iray amiko
-Tsy hitako izay ambara ry Sahondra, saingy misy zavatra mba angatahiko aminao farany raha sitrakao
-Fa misao-bady ve ianao izany ? Aza manao izay mampangovitra ahy eto ka
-Voafetra ny fotoana re a, henoy aho aloha fa reraka : ankiniko aminao tanteraka i Rojo, ataovy izay hahatafita azy amin'ny fianarany, ary meteza ho reniny hatrany...
Nikohaka mafy i dada taorian'izay ary niantsoana dokotera. Nametrahana "oxygène" izy, ary tsy ela akory fa ny harivan'iny ihany dia tapitra ny ainy. Ny tena fanahiako ? Hoy aho anakampo hoe izay ity mama ity vao haneho ny toetra ratsiny. Tsy izany mihitsy nefa ny nitranga, fa nipoitra indray ilay havana miloko marevaka, na dia maizina tanteraka aza ny lanitra.
-Rojo a, lasa iny rainao, efa nialoha lalana ihany koa reninao. Tsy midika mihitsy izany hoe kamboty ianao. Mbola eto aho anaka, reninao, na dia tsy iray rà aza isika
-Misaotra mama a, tsy hahita "renikely" mamihoditra toa anao aho na ho aiza na ho aiza
-Manao ahoana ny fianaranao ao ? Sao variana amin'ny asa ianao tamin'ireny rainao narary ireny ?
-Tena variana tokoa aho ry mama. Fa misy "concours" ho ataoko izay, ary mety hahazoana "bourse any Chine" izany.
-Hanohana anao hatramin'ny farany aho Rojo a, na ara-bola na ara-kevitra.
Herintaona taorian'ny nahafatesan'i dada no nangataka ahy tany amin'i mama i Ando sy ny fianakaviany. Tovolahy tsotra sady bikàna io tovolahy io. Tsy maintsy namela azy irery nefa aho satria azoko ilay "bourse". Samy nanohana ahy tamin'ny fikarakarana rehetra na i Ando na i mama. Telo taona ny faharetan'ny fianarana. Faly ery aho rehefa mamisavisa ny tantarako satria hitako hatrany ilay avana miloko marevaka, na misy loko mainty aza izany matetika.

Fizarana fahatelo : Ny nahalasanan'ilay silam-panahy

Amin'ity fiafaran'ity taona 2024 ity no hahazoako ny mari-pahaizana nokendreko. Tokony hiverina hipetraka eto Madagasikara indray aho, ho eo anilan'ilay fofombadiko. Ny fiandohan'ny taona 2025 no nikasanay hanatanterahana ny mariazinay. Finaritra ery izahay roakely nanonofy : na dia mifanalavitra aza dia sambatra ery mitsiky irery, samy mahita ilay avana mamiratra. Indrisy, notakonan'ny rahona mainty ilay avana teny amin'ny faravodilanitra.
-Allo ! Tony tsara indry ?
-Allo ! Ça va tsara aho fa ahoana e ? Fa misy inona ? Fa toa mitomany anie ianao izany razandry e ?
-Tsy namantsika intsony akia i Ando a, mahereza indry ...
Maizina tamiko ny tany aman-danitra. Toa fanina aho : efa afaka dimy minitra aho vao nahalatsa-dranomaso. Naneno indray ny findaiko fa tsy nanankery nandraisana azy akory aho. Fa dia inona loatra re no ratsy nataoko tamin'ity tany ity no dia mandao ahy avokoa ireo olona mamin'ny foko ? Tatry ny lozam-piarakodia teny Tsarasaotra teny ny fofombadiko, ary maty tsy niala-nenina akory. Tsy zakako ny nahita ny vata-mangatsiakany maratra sady mangana.
-Misy ity baoritra ity Rojo, napetrak'i Ando ho anao, angamba efa nandindona azy izao fahafatesany izao
-Oviana izy ry Mama no nanome an'ity ? Tsy mba nolazainy tamiko mantsy
-Tamin'ny herinandro retsy ah. Niresadresaka mikasika ny mariazinareo teo izahay, ka tiany hono raha mba izaho no manolotra azy ity ho anao. Tsy nazava tamiko tsara ny resany, fa toa nanaiky tsy fidiny fotsiny aho .... Efa lahatra angamba izao retsy ah.
"Bouquet" fotsy manjopiaka no tao anatin'ilay baoritra. Mino marimarina aho fa nokasainy hotazoniko amin'ny andro volamenanay io fehezam-boninkazo io. Nandrimbonako voninkazo roa sy telo ilay bouquet ka nataoko teo amin'ny paosy palitaon'ilay malalako, nentiko nanaovana veloma farany azy. Na dia zara raha manankery hijoroana aza aho, aleoko mitraka hamita ny fianarako sy hanorina fiainambaovao. Efa fantatro nefa fa hisy loko mainty hatrany ilay avan'ny fiainako. Resy aho androany, handresy rahampitso, fa mety mbola ho potraka indray rahafak'ampitso.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo