• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Elle
Image
Sexualité & Mariage

Moov Confidences : "Bisexuel" aho, sady tia lehilahy no tia vehivavy !

11/03/2024 16:22 © Moov

Anisan'ny mampihorohoro ny fiaraha-monina ankehitriny ny fiarahan'ny samy lahy sy ny samy vavy. Ny momba ahy kosa, hafa mihitsy : sady tia lehilahy aho no tia vehivavy. Izany angamba ilay atao hoe "bisexuel".

Natiora faharoa

Lehilahy mba manana ny ampy sy nahita fianarana ihany ny tena. Heveriko nefa fa tsy mibaiko ny "orientation sexuelle" izany. Hatry ny fony vao zaza aho dia tsy mahazo aina mihitsy raha tsy misy lahy sy vavy eo anilako. Tsy nahavantana ahy loatra ny minamana amin'ny lehilahy fotsiny, na minamana amin'ny vehivavy fotsiny. Tena samy manintona ahy na lehilahy na vehivavy. Fanaoko mihitsy taloha ny mijerijery ireovehivavy tsara tarehy sy ireo lehilahy "bogosy" eny an-dalana.
Tsaroako tsara, nisy tovolahy niara-nianatra tamiko tamin'ny kilasy famaranana, nahatara ahy tanteraka. Izaho nefa efa nisy tovovavy niaraka tamiko. Tsy hoe tsy afa-po tamin'ny firaisana ara-nofo tamin'ny vehivavy aho, fa misy hery manintona ahy izany hitia lehilahy ihany koa. Indray andro, fony aho teny amin'ny Anjerimanontolo aho, dia tena mpijery horonantsary X misy lehilahy samy lehilahy. Tena tao amiko tokoa ny fikasana hanandrana hiray ara-nofo tamin'ny lehilahy. Rehefa nandeha teny ny fotoana, nisy lehilahy niaraka tamiko, sady nanaiky "action". Ny tena nahagaga ahy dia lehilahy tena bokon'hozatra tanteraka, tsy miendrika vavivavy mihitsy, no "passif" tao amin'ilay "couple". Nolazainy tamin'izany fa izaho no lehilahy voalohany niaraka taminy. Niomana tsara izahay roalahy ka nividy fiarovana sy "lubrifiants". Tena nahitako tsirony tokoa satria sady naharitra no hafakely. Tsy nitaraina narary mihitsy ranamana. Niaraka nandritra ny 6 volana teo ho eo izahay, ary nahavita niray indroa isan-kerinandro teo ho eo. Izaho nefa taty ambadika sady miaraka amin'ny sipako ihany, saingy tsapako hoe mahazo tsirony kokoa rehefa miaraka amin'ny lehilahy. Lasa namita fianarana tany ivelany ilay ranamana ka dia tavela teto aho. Hatreto aloha, tsy nahita lehilahy hafa intsony aho, saingy tena mbola te hiaina fahasambarana miavaka indray. Ny hany azoko atao dia manantona lehilahy mpampanofa fahafinaretana eny Antaninarenina eny, indroa isam-bolana eo ho eo.

Hena-maso

Mazava ho azy, tsiambarateloko ny hoe sady tia lehilahy aho no tia vehivavy. Manambady ara-dalàna aho, ary efa manan-janaka. Tsy fantatry ny vadiko mihitsy ny fitiavako lehilahy. Tsy mahasarotiny azy rahateo ny fijereko lehilahy eny an-dalana. Miafina aho mijery horonantsary misy lehilahy roa miray, saika ho isan'alina.
Indraindray aho manontany tena hoe tena hena-maso tokoa àry ve no hanambadiako vehivavy sy hijanonako aminy irery eo imason'olona ? Izaho nefa tsy tena hoe tsy mankafy firaisana ara-nofo amin'ny vehivavy, saingy mila lehilahy ihany koa. Rehefa tena lasa eo ny saiko dia hoy aho hoe soa fa misy ny lalan'ny fanjakana sy ny fiaraha-monina mikasika ny fanambadiana. Tsy ho mora amin'ireo ray aman-dreniko, ny iray ampo amiko sy ny manodidina ahy ny fitiavako roa sosona. Aiza ho aiza eto ambonin'ny tany moa no hisy hamela malalaka ahy sady hiaraka amin'ny lehilahy sady hiaraka amin'ny vehivavy.
Anisan'ny tena mampiahiahy ahy ny fitaizana ara-pananahana ireo zanako roalahy. Matahotra ihany aho mantsy sao hanahaka ahy izy ireo na hitia lehilahy fotsiny. Sarotra mantsy ny mifehy ny faniriana ao anaty ao, na eo aza ny fivavahana sy ny hevitra filozofika samihafa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo