• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Moustique
Image
Sexualité & Mariage

Fitaizana : torohevitra momba ny fanabeazana ara-pananahana ny ankizy

06/03/2024 10:33 © Moov.Mg

Andraikitra iray lehibe sy mavesatra iantsorohan’ny ray aman-dreny ny fanabeazana ara-pananahana ny zanaka. Ilaina tokoa tokoa izany mba hisorohana ireo vokadratsy ateraky ny tsy fahalalana toy ny fanararaotana ara-nofo, ny vohoka tsy niriana, ny aretina azo amin’ny firaisana ara-nofo… Atao mifanaraka amin’ny taonan’ny zaza ny fanabeazana ara-pananahana azy.

Raha mbola latsaky ny 4 taona

Dieny mbola kely ny zanaka dia efa atomboka miandalana ny fanabeazana ara-pananahana azy. Raha mbola latsaky ny 4 taona izy dia ampahafantarina azy sahady ny taovam-pananahany sy ny mahasaropady azy. Mila atoro azy hoe iza no afaka mikitika azy io rehefa mampandro azy ohatra na mampipipi ary azavaina aminy fa tsy tokony hisy hikitikitika io taova io. Izany dia mba ahafahany mampahafantatra sahady ny ray aman-dreny raha misy tady hanararaotra izy.

Raha latsaky ny 8 taona ny ankizy

Amin’io taona io ny ankizy dia efa tokony mahafantatra fa mila arovana anaty akanjo ny taovam-pananahana fa tsy azo aderadera olona. Ampahafantarina azy ihany koa fa tafiditra anatin’ny taovam-pananahana avokoa na ny filahina, ny fivaviana, ny fitombenana ary ny nono ho an’ny vavikely. Tsy misy mahazo mikitikitika ireny taova ireny ny olona, eny na ny iray tampo aza. Efa azo ampahafantarina azy ihany koa hoe avy aiza ny zazakely satria efa manomboka tia manadiady izy amin'io fotoana io. Atao amin’ny teny mora azony kosa nefa ny fanazavana izany.

Rehefa anelanelan’ny 8 taona sy 12 taona

Efa hiditra ho adolantsento ny ankizy amin'io taona io ka tokony efa hampiomanina sahady amin’ireo fiovana hiseho eo amin’ny vatany. Efa resahana amin'ny tovovavy ny mikasika ny fadim-bolana satria maro ireo efa tonga fotoana eo amin'ny faha 8 na 9 taonany. Izany dia mba tsy ho tampoka loatra ho azy ny fahatongavan'izany. Amin’io taona io ihany koa no manomboka maniry ny nono sy ireo volo samihafa amin’ny vatana ka azavaina azy ireo fa voajanahary izany ka tsy tokony misy mampanahy. Ho an'ny ankizy efa mikitikitika aterineto dia ampahafantarina izy ireo fa tsy azo atao ny mandefandefa sary miboridana amin'ny namany na ny havana akaiky ary.

Manomboka 12 taona

Efa tafiditra anatin'ny fotoana ny fialan-tsakana tanteraka ny ankizy amin’io taona io. Satria moa efa natomboka dien'izy mbola kely ny fanabeazana ara-pananahana dia tsy hanano sarotra intsony ny manohy sy manamafy izany. Ampianarina azy ireo ihany koa ny mikasika fahadiovana eo amin’ny lafiny fananahana, na lahy na vavy. Ho an'ny tovovavy dia atoro tsara azy ny momba ny fahadiovana mandritra ny fadim-bolana.
Efa fotoana hiresahana mahakasika ny firaisana ara-nofo ihany koa ny maha-adolantsento. Anombohana izany ny fanazavana ny zanaka fa ny fifohazan'ny fitiavana dia tsy midika hoe voatery hanao firaisana ara-nofo. Io ihany koa ny fotoana hiresahana aminy ny mikasika ny vokadratsin'ny fanaovana firaisana raha atao aloha loatra sy ireo mety hitranga raha tsy mitandrina tsara (ny vohoka, ny aretina...). Ampahafantarina tsara azy ihany koa fa safidy ny firaisana fa tsy an-tery.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo