• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kenny Andréa
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana trondro saosy lafihana voanjobory

15/02/2024 16:53 © Moov.Mg

Anisan’ny nahandro gasy mafilotra sy ankafizin’ny maro ny trondro saosy lafihana voanjobory. Matsiro dia matsiro tokoa nefa tsy sarotra karakaraina. Tsy mila akora maro ihany koa. Araho eto anie ny fikarakarana azy e !

Ny zavatra ilaina raha hahandro trondro saosy lafihana voanjobory

-Tilapia 1 kg ;
-Voanjobory lena 2 kapoaka ;
-Tongolo gasy ;
-Tongolo ;
-Voatabia ;
« Poivron » 1 ;
-Kotomila ;
-Sira ;
-Dipoavatra ;
-Menaka

Fomba fikarakarana ny nahandro

Andrahoina mialoha ny voanjobory lena nasiana sira.
Voasana ny tongolo gasy ary kikisana. Tetehana ny voatabia sy ny tongolo. Zaraina roa ny « poivron » ary tetehana lavalava.
Hafanaina anaty vilany ny menaka ary arotsaka ao ny voatabia sy tongolo, ny tongolo gasy ary ny « poivron ». Asiana sira sy dipoavatra ary aroharohana tsara.
Arotsaka ao anatin’io fangaro io ny voanjobory efa masaka ary tapohana rano kely. Avela hangotraka ny fangaro.
Afaka 10 minitra dia arotsaka ao ny trondro tilapia efa nodiovina tsara sy nesorina ny kirany. Avela hiketrika mandritra ny 20 minitra eo ho eo ny nahandro. Farany, omena hanitra amin'ny kotomila notetehana madinika izany laoka izany ary aroso mafana.

Lire la suite

Articles Similaires