• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Chef Simon
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « potage de légumes »

14/02/2024 16:27 © Moov.Mg

Ny « potage de légumes » dia karazana lasopy legioma natao potsitra tsara sy marihatra kokoa mba ho mora hoanina ary indrindra mba ampivoaka tsara ny tsiron’ny legioma rehetra nampiasaina. Araho ary ny andininy amin’ny fomba fikarakarana azy.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « potage de légumes »

Fatra ho an’olona 5 :
-Karaoty 3 ;
-Ovy lehina 5 ;
-Poarao 2 ;
-« Céleri » lehibe 1 ;
-Voatavo silany lehibe 1 ;
-Rano ;
-Ronono ;
-Sira ;
-Dipoavatra ;
-Dibera 50 g ;
-Tongolo.

Fomba fikarakarana ny « potage de légumes »

Tetehina madinika ny poarao voasasa. Tetehina madinika ny tongolo. Atsonika anaty vilany ny dibera ary arotsaka ao ny poarao sy ny tongolo. Aroharoana ary avela hiketrika eo am-patana.
Etsy andanin, sasana, voasana ary tetehina madinika ny ovy, karaoty ary ny voatavo. Arotsaka ao anaty vilany nisy ny poarao ary aroharoana hifangaro tsara daholo.
Sasana tsara ny « céleri » ary voasana ny fakany. Ilay fakany iny no arotsaka ao anaty vilany miaraka amin’ireo legioma hafa.
Arotsaka ny rano ary avela hangotraka eo avokoa ireo fangaro. Rehefa mivadibadika tsara dia arotsaka indray ny ronono. Asiana sira sy dipoavatra dia aroharoana tsara indray.
Avela hiketrika mandritra ny 30 minitra eo am-patana. Rehefa vita izay dia esorina ambony afo ary arotsaka anaty « mixeur » miaraka amin’ny ranony. Zarazaraina araka ny zakan’ny « mixeur » fa tsy miaraka arotsaka ao daholo. Potserina ho potsitra sy marihatra tsara dia vita.
Azo asiana fromazy voakiky kely mba ampatsiro kokoa azy. Aroso mafana.

Lire la suite

Articles Similaires