• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Le Grain Qui Pop
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « popcorn au caramel beurre salé »

13/02/2024 15:14 © Moov.Mg

Tsakitsaky ankafizin’ny ankizy tokoa ny « popcorn » na ny poakatsaka hoy isika. Maro moa ny fomba fikarakarana azy ireny fa ny fanaovana « popcorn au beurre salé » no andeha ho resahana. Atoro eto ary ireo zavatra ilaina sy ny dingana amin’ny fikarakarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « popcorn au beurre salé »

-« Maïs à popcorn » izay katsaka madinika kely natokana amin’ny fanaovana « popcorn » tapaky ny vera ;
-Siramamy tapaky ny vera ;
-Menaka 2 sotro fihinanana ;
-Dibera 50g ;
-Sira 1 tsongo ;
-Ronono tapaky ny vera.

Fomba fikarakarana azy

Arotsaka anaty vilany misy sarony ny menaka 2 sotro fihinanana ary arotsaka ao ny « maïs à popcorn » tapaky ny vera. Saromana tsara ary ataingina eo ambony afo somary mahery. Rehefa manomboka mipoaka ireo katsaka anaty vilany dia ahena atao malefaka ny afo. Tsy sokafana matetika ny vilany manjary mipitika mivoaka ireo poakatsaka. Esorina ambony afo ny vilany rehefa tsy misy mipoaka intsony ny katsaka.
Miroso amin’ny fikarakarana ny « sauce caramel au beurre salé ». Ataingina ambony afo malefaka anaty lapoaly ny siramamy tapaky ny vera. Endrasana mitsonika avy eo arotsaka ny dibera 50 g sy ny sira 1 tsongo. Aroharoana amin’ny sotrobe hazo ny fangaro ary arotsaka tsikelikely ny ronono. Aroharoana hatrany mandrapahazoana « sauce caramel » malefaka, izany hoe sady tsy marihitra no tsy mitsiranoka be loatra. Rehefa vita dia araraka sy afangaro amin’ny « popcorn ».

Lire la suite

Articles Similaires