• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mes Recettes Faciles
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « biscuits sablé au beurre »

09/02/2024 08:49 © Moov.Mg

Karazana tsakitsaky azo atao « gouter » ho an’ny ankizy indray no andeha ho atoro eto anio dia ny « biscuits sablé au beurre » izany. Azo tehirizina mandritra ny herinandro izy ireo ka azo karakaraina betsaka entin’ny ankizy mianatra. Araho ary ny fanaovana azy !

Ireo zavatra ilaina raha hana « biscuits sablé au beurre »

-Lafarina 250g ;
-Dibera 125g ;
-Atody 1 ;
-Sira 1 tsongo ;
-Ronono 3 sotro fihinanana ;
-Siramamy 125g.

Fomba fikarakarana azy

Afangaro anaty « saladier » na koveta kely ireo akora maina rehetra dia ny lafarina, ny siramamy sy ny sira.
Arotsaka ny dibera malemy (tsy mitsonika) ary volavolaina amin’ny tanana mba ahazoana fangaro mamasipasika.
Mba ampamasipasika ny fangaro dia potsopotserina amin’ny felatanana ireo fangaro ireo mandrapifangaro azy.
Rehefa vita izay, dia arotsaka tsikelikely ny atody sy ronono, afangaro tsara, ary atao mahazo boribory mitambatra iray. Alefa anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 30minitra.
Manarak’izay dia velarina somary fisahana amin’ny alalan’ny « rouleau à pâtisserie » ny paty. Rehefa mivelatra tsara eo ambony latabatra dia omena ny endrika tiana anaovana azy. Afaka mampiasa « emporte pièce » na mampiasa vera hitetehana azy ho lasa boribory.
Alefa lafaoro amin’ny hafanana 210°C mandritra ny 15 hatramin’ny 20 minitra.

Lire la suite

Articles Similaires