• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanamboarana « fromage pané »

07/02/2024 15:42 © Moov.Mg

Tsakitsaky isan’ny matsiro sy ankafizin’ny be sy ny maro ny « fromage pané ». Mora karakaraina ary vetivety dia vita moa ity karazana nahandro ity. Azo atao « goûter » ho an’ny ankizy ary tsakitsaky ho an’ny lehibe. Araho ary ny fikarakarana azy.

Ny zavatra ilaina raha hanao « fromage pané »

-Fromazy mafy 250 g ;
-Atody 2 ;
-Ronono 3 sotro fihinana ;
-Lafarina 100g eo ho eo ;
-« Chapelure » 1 « bol » ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Menaka hanendasana azy.

Ny fomba fikarakarana ny « fromage pané »

Tetehana tsy atao fisaka loatra ny fromazy. Fromazy mafy toy ny « gouda » na ilay fromazy boribory « artisanal » ireny no tena mety mba tsy atahorana hitsonika rehefa endasina.
Kapohana anaty « bol » ireo atody sy ny lafarina mandrapahazo paty somary mandranoka. Asiana sira sy dipoavatra. Atao anaty lovia somary jobo ny « chapelure ».
Atsoboka tanteraka anatin’io paty io tsirairay ny fromazy voatetika. Atao rakotra tsara avokoa ny lafiny rehetra amin’ny fromazy. Tsara raha atao matevina tsara ny paty mandrakotra azy.
Araraka anaty lovia jobo ny « chapelure ». Atsoboka tanteraka tsirairay ao ireo fromazy norakofana paty teo. Atao rakotra tsara avokoa ny lafiny rehetra.
Afanaina ny menaka anaty lapoaly jobo na vilany saba. Rehefa mamay tsara ny menaka vao arotsaka ireo fromazy.
Arotsaka moramora tsirairay ny fromazy. Tsy atao be am-patana sao miraikitra. Endasina 2 hatramin’ny 3 minitra dia esorina satria vetivety dia masaka.
Tsara raha aroso mafana miaraka amin’ny salady.

Lire la suite

Articles Similaires