• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Journal Des Femmes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fahazarana mahatanora lalandava ny hodi-tava

05/02/2024 13:26 © Moov.Mg

Mampitsiriritra ny maro ny hodi-tava madio fa indrindra tanora lalandava. Mazava ho azy fa misy ny fikarakarana mila atao mba ahatongavana amin’izany. Atoro eto ary ireo fahazarana tsotra sy natoraly mba ahatanora lalandava ny hodi-tava.

Diovina isan’andro ny tarehy

Fikolokoloana ny hodi-tava tsy azo idovirana ny fanadiovana azy isan’andro. Rehefa maraina dia sasana amin’ny « eau de rose » na amin’ny « eau thermale » ny tarehy. Tsy tsara ny mampiasa rano satria mety manentsina ny mason-koditra ny « calcaire » aminy. Amin’ny hariva dia diovana amin’ny « démaquillant » ny tarehy, eny na dia tsy nanao « maquillage » ary. Manala tanteraka ny loto, ny hoditra maty sy ny hatsembohana amin’ny hoditra ny fanaovana izany. Aorian’ny « démaquillant » dia sasana farany amin’ny « lotion nettoyante » izany.

Misotro rano tsara

Mampalandina, mahasalama ary mahatanora lalandava ny hodi-tava ny fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro. Ny fahampiana rano dia manala ny « toxines » ao anatin’ny vatana. Lasa mazava kokoa ny endrika, mihemotra ny fiforonan’ny kentrona amin’ny hodi-tava… Raha tsy ampy rano ny vatana dia mety ho hita taratra amin’ny endrika izany. Manjary lasa mangamangana, mora antitra ny hoditra, mikentrokentrona…

Mihinana sakafo mitahiry ireo singa miaro amin’ny fahanteran’ny hoditra

Miankina betsaka amin’ny sakafo hoanina ihany koa ny mahatanora lalandava ny hodi-tava. Anisan’ireo singa manampy indrindra amin’izany ny vitamines sy ny « antioxydants ». Anisan’ireo sakafo tsara hoanina matetika mba ahatanora lalandava ny hodi-tava ny zavoka, ny voasary ary ny « brocolis » noho izy ireo manankarena vitamina isan-karazany. Ny « brocolis » dia ahitana « bêta-carotène » izay maha « souple » ny hodi-tava ary manakana ny fiforonan’ny « ridules ».

Orina isan’andro ny hodi-tava

Mahatsara ary mahatanora lalandava ny hodi-tava ny fanorana izany isan’andro ao an-trano. Ny fanorana ny hodi-tava dia mampikoriana tsara ny rà ary manatsara ny « élasticité » ny hoditra. Tsotra ny fanaovana azy. Orina amin’ny « sérum hydratant » na amin’ny « crème hydratante » ny tarehy. Atomboka amin’ny andrina izany. Orina manao boribory moramora amin’ny rantsan-tanana telo. Avy eo midina amin’ny takolana. Faranana amin’ny faritra eo anelanelan’ny volomaso mba hampitsotra ny kentrona eo amin’ireo faritra ireo.

Lire la suite

Articles Similaires