• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Mon Univers Secret
Image
Tantara

Moov Confidences : Akohovavy maneno !

10/01/2024 17:17 © Moov

Fialamboly : Araho ny tantara mitondra ny lohateny hoe "Akohovavy maneno".

Ny vehivavy hono tsy mba diso. Tsy oha-pitenenan'ny Ntaolo akory izany fa noforonin'ireo efa manan-tokantrano. Ny vehivavy tokoa mantsy matetika no mitantam-bola ka toa izy hatrany no manana ny teny farany. Tsy tokony hanala ny fahefan'ny raim-pianakaviana, amin'ny maha-lohan'ny fianakaviana nefa izany. Tsy azo lavina fa misy ireo vehivavy no manjakazaka loatra sady manitsaka ny lehilahy eny antampon-doha.

Fizarana voalohany

-Aiza ianao mbola tsy mody foana hatramin'izao ? Ianao anie no mitondra laoka hariva e, te hatory ny ankizy fa inona ary izao ataonao izao ?
-Mbola taraiky ato am-piasana aho fa misy fivoriana maika tsy azoko ialana. Aza miantso ahy intsony aloha fa tena tsy mifantoka mihitsy aho nefa mila maneho ilay "présentation" nomaniko hatry ny ela. Miantso aho rehefa afaka miainga.
-Fa amin'ny firy ny ora firavana ramose ? Mahazo "heures supplémentaires" angaha ianao no teren'ny mpampiasa anao hijanona tara nefa rahampitso maraina tsy afaka hiditra atoandrotoandro akory ? Dia tsy manenjika ny eritreritrao ny fijalian-janakao miandry anao vao hisakafo ? Lehilahy tsy misy hazon-damosina raha izay ianao ...
-Tapahiko aloha ianao fa tsy te hifamaly aho.
Toy izany hatrany ny resakay mivady. Vehivavy vavàna sady tsy hay handaharan-teny i Nathalie. Miavonavom-piteny hatrany izy ary tsy te hahalala izay mety ho fanazavana rehefa tsy mifanaraka amin'ny sitrapony ny zava-mitranga. Somary efa tsikaritro io toetra io fony izahay vao mpifamofo, saingy mbola tsy nahataitra ahy firy. Toa mba tsotsotra ihany mantsy izy sady tsy niavona tamin'ireo olona rehetra nifanerasera taminay. Rehefa vita ny mariazy vao tena nampiseho ny tena loham-botony ravehivavy. 5 taona izay ny fanambadianay, ary roalahikely ny zanakay.
-Amin'ny 9 ora alina ianao vao mahalala miditra ny trano ? Tena lehilahy maty eritreritra. Iza no ambony : ny asanao sa ny vady aman-janakao ?
-Mba moramora ianao fa mahamenatra ny manodidina, sady manaitra zaza.
-Terenao hangina fotsiny aho nefa ianao no manao ny ataonao any an ? Tsy efa niteny anao aho hoe ianao no tokony mitondra laoka hariva ?
-Neny ah, misy zavatra maro anie ao anaty vata fampangatsiahana ao e. Raha toa ka tsy ampy na tsy tianao ny ao dia tokony mba nividy zavatra kely ianao, ianao anie mirava amin'ny 4 e. Efa mba niteny taminao aho fa misy "promotion" kely mba andrandraiko, dia nefa tsy mba manohana ahy mihitsy ianao.
-Leo ny "excuse"-nao aho e. Fatina orinasa tsy mahafoy karama firy io. Ohatrinona ny karamanao nefa firy taona ianao no tao. Ny ahy nefa mihoatra lavitra noho ny anao, izaho amin'io mbola tsy ampy herintaona no niasa. Lehilahy mohaka ! Izany ihany no tsy mahatafita anareo mianakavy, manaiky botoin'olona !
-Miitatra loatra izany resaka izany. Indray mandeha ve aho no tara fodiana ao anatin'ny 5 taona dia fanambaniana sy vava ratsy no azoko ?
-Mandehana mitady vehivavy tsy ratsy vava e ? Inona no mbola nodianao taty fa tsy nijanona tany ?
Naleoko natory. Tena ketraka aho satria izay ezaka kely mba ataoko dia hanenjehana ahy. Zanaky ny mpanana izy ka tsy sarotra taminy no nahazo karama be. Narary ny foko satria na kely aza ny karamako dia tsy mbola ory na inona na inona ny vady aman-janako. Na dia efa mahazo vava ratsy foana aza aho, nanohina ny hambom-po maha-lehilahy ahy ny fitsikerana fahatany ny karamako sy ny havako. Tsy ho tafita eo angaha aho, hoy ao tany an-tsaiko. Nanomboka teo no nangatsiaka tanteraka ny fitiavako ny vadiko. Tsy mitovy saranga tokoa angamba izahay sady tsy mitovy toetra sy fomba fisainana.
-Tena vehivavy tsy misy saina ! Fa atao inona ireo masobe ireo r'ikalakely ity raha tsy ampiasaina ah ! Esoriko amin'ny karaman-dri io vilia vaky io.
-Tena mifona aho madama ah ! Marary anie ny zanako e, raha mbola hanesoranao ny karamako dia tsy misy hitsaboako azy indray, tena lafobe ny vidim-panafody. Milela-paladia re madama ah, tena tsy nitandrina aho fa manaiky diso e !
-Indry no te hiteratera-poana any koa izaho no hiasa saina amin'izay probleman-dri ? Nankaiza ny rainjaza no indri irery no mitotototo ? Adalanay no vita mariazy manetriketrika vao niteraka ? Vehivavy kentrona !
-Inona izao tabataba vao maraina izao ? Avia aloha ianao aty amin'ny efitra fandriana fa hiresaka kely aminao aho. Bozy a, raofy fotsiny re ireo vakim-bilia ireo fa tsy ho esorina amin'ny karamanao e. Voaray ny fifonanao.
-Hanomboka indray ilay lehilahy mohaka ity an, mpiasa tsy misy ilàna azy io koa arovana. Tara amin'io angaha ianao ? Te hitaiza zana-baratra ?
-Fero ihany ny vavanao ry Nathalie an ! Efa tena tafahoatra. Dia mahafaly anao ve no mahita ilay zanak'olona mitomany, nefa anie io no tena mitaiza sy mikarakara an'izy roalahy ato an-trano isan'andro e !
-Rehefa tara aminy ianao dia raofy ny entana dia ndana ianareo mandeha !
Raha ny hatezerako dia noraofiko tokoa ny entako. Saingy mbola te hiala nenina ihany aho satria vady nekeko teo anatrehan'Andriamanitra sady renin-janako i Nathalie. Mbola kely rahateo ny zanakay. Samy nandeha niasa moa izahay mivady. Rehefa efa tafiditra tao anaty fiara ny vadiko dia niverina kely aho niala tsiny tamin'ilay mpanampy. Tsy tiako hanana sain-dratsy amin'ireo zanako mantsy izy. Nilongilongy tanteraka ny vadiko i Nathalie tao anaty fiara. Naleony nanao facebook nandritra ny 30 minitra teo ho eo. Tonga teo ivelan'ny vavahadin'ny fiasanany nefa dia niova ho miramirana i madama, ary niseho nalefaka sy be fitiavana ery, satria efa nanodidina teo avokoa ireo mpiara-miasa aminy.
Iny nivoaka iny mihitsy i Nathalie no nandalo i Setra, namanay teny amin'ny Ambaratonga Ambony. Efa tara moa i madama ka niarahaba dia niditra ny vavahady. Izahay roalahy kosa nitafatafa teo. "Tena sambatra ialahy lehity nahazo vehivavy mendrika sady feno tsikitsiky toa an'i Nathalie. Sady jereo ity izy tsara bika be toy ny mbola tsy niteraka". Nandokandoka teo i Setra ka tena talanjona aho nihaino ny fahitany ny vadiko. Rehefa lasa izy vao nisento tokana aho hoe "raha mba fantatr'ialahy mantsy". "Parfaite" no fahitan'ny havana sy namana ny vadiko. Izaho ihany angamba no tena ampijaliany satria fantany fa tia azy. Ireo zanakay moa tato ho ato dia mifikitra amiko ery vao tonga aho satria voakitakita lava. I Bozy moa mihafy fia mihafy tokoa satria tokantena nefa manan-janaka marary.

Fizarana faharoa

-Tara fodiana indray ianao an ! Fa adiny firy no anaovanao an'io lalana akaiky kely io nefa ianao mitondra fiara ? Sa nisy fivoriana indray ? Amin'io sady tsy miantso no tsy mandefa message.
-Vao miditra ny trano ve ry Nathalie dia taim-bava no miandry ahy ? Low batt ny findaiko, ary nisy camion maty tetsy ambany andrefana ka nitohana tanteraka. Raha nisy dia nisy koa anie dia adiny iray ny fahatarako e.
-Mankaleo ahy ianao. Ny vadin'olona rehetra tafody mazava avokoa, sady mampihanta ny vadiny ery. Ianao efa sady maimbo alina nefa kiraro iray aza angatahiko aminao tsy foinao.
-Lafo loatra kosa anie ilay kiraro tadiavinao ry Nathalie e, aiza koa efa mihoatra ny antsasa-karamako. Misy "charges" hafa be dia be anie isika e.
-Izany no maha-lehilahy mohaka anao. Miasa ohatra ny omby nefa ny karama raisina varimasaka. Voavidiko anie ny kiraroko e, fa ianao no mba tiako hanolotra azy !
Asa loatra izay nanjo an'i Nathalie tato ho ato fa tena mahatezitra azy ny karamako. Hatrizay toa nety sy ampy anay tsara ny vola nentiko nody, fa nony niasa izy dia toa nirehareha fatratra tamin'ny volany. Izaho nefa tsy mbola nampiandraikitra azy ny vola lany ato an-trano. Nihakizitina sy niharatsy toetra ihany koa izy. Efa ho herintaona no nataony fady azy no namangy ny reniko. Tsotsotra loatra mantsy i neny ka tsy dia tiany loatra na ny trano ipetrahany na ny sakafo arosony. Mila miera aminy ihany koa i neny raha hamangy ka hikasa hatory ao aminay.
-Malala ah, ho avy hono i neny mba hiaraka hifaly amintsika amin'ny faran'ny taona sady hanao taombaovao. Hevitra mety tokoa izany amin'izay isika tsy mivezivezy satria tsy maintsy hiarahaba azy ihany amin'ny taombaovao e ?
-Maninona tsara ? Hanao inona aty ? Ny ray aman-dreniko angaha efa nankaty amintsika hanao fety toa izany ? Manimba programa izany fa isika angaha moa voatery hijanona ato amin'ny réveillon ? Aleo mitselika mamangy azy fotsiny amin'ny manaraka fa lasa "tsy à l'aise" mihitsy raha misy olon-kafa eo ka !
-Hanao inona eo ahoana ? Reniko anie iny ry Nathalie e, efa reninao ihany koa, ary programa inona moa fa tsy niresaka izany anie isika e ?
-Efa nividy billet lafobe aho, hanao réveillon any amin'ny trano fandraisambahiny lehibe isika amin'ity taona ity. Ary tsy mahavidy billet ho an-dreninao aho, sady iny ve raha handeha fety goavana tsy hahamenatra na ny fitafy na ny fihetsiny ? Ny 1er janvier indray efa any amindry dada isika no misakafo sy mifety, ho avy ao daholo ny havanay rehetra avy any an-dafy. Izay no lazaiko anao hoe aleo andro hafa mihitsy isika vao makany amin'ny reninao.
-Fa dia nahoana loatra no manambany ny reniko toy izany ianao ? Sady izay manapatapaka irery ny programa rehetra na ny faran'ny taona na ny taombaovao ?
-Volako anie no miala e, izaho angaha nampandoa ariary anao ? Tsy zaranao aza ? Izaho koa tsy te hihinana akoho rony matsatso be sady mahia kely any amin-dreninao e, fiainana fohy kely ity koa fety ve dia tsy aleoko any amin'izay misy hanimpitoloha no mandeha ? Sady niaraka tamin'ny daroka izany teny marary izany.
Nivoaka ny efitranonay aho, nanganohano sady tezitra mafy. Teo ao vao nanenina sady nanontany tena hoe fa azon'ody ve aho nanambady ity vehivavy ity. Niezaka nandamina sy niresaka aho fa avonavona sy fanambaniana no azoko. Tsy nanaiky ny hahatongavan'i neny mihitsy izy ka izaho no tsy maintsy nitady "excuse" mba tsy hampalahelo ny reniko. Azo lazaina fa nahafinaritra tokoa na ny réveillon na ny taombaovao, saingy tena nanohina ny foko ny tsy naneken'i Nathalie nivily namangy an-dreniko na dia lalana nolalovana izao aza ny tranon'i neny. Teo indrindra no nipoaka ny hatezerako.
-Nathalie ah, tsy fahalalampomba izao ataontsika izao. Efa hatramin'ny maraina no tany amin'ny ray aman-dreninao isika, nefa dia fotoana kely 20 minitra iarahabana an'i neny dia tsy foinao ?
-Tsy hitanao angaha ity zaza matory ety an-tanako ity ? Sady andro efa maizina io ? Izaho ho'aho tsy mahavita mivilivily lalana intsony. Amin'ny manaraka isika miarahaba ny reninao e !
-Tena hamaivaninao tanteraka izy izany ! Fa izao, ity ny fiara ento dia modia, fa izaho sy ny zanako hamangy an'i neny. Mandeha taxi izahay mody. Sady najanoko ny fiara, dia novohaiko ny varavarana sady nosintomiko ilay zaza teny an-tanany. Ilay lahimatoa kely moa tonga dia nivoaka nanaraka ahy sady faly ery.
-Lehilahy tsy vanona ianao, maninona no alainao fotsiny ny zanako ? Sady sahinao ny mamela ahy mody irery ? Mbola hanenenanao izao ! Sady nofelahiny ny tehamaina aho.
Tsy nohenoiko izay teniny fa ireto zanako no notarihiko dia lasa izahay. Henoko fotsiny fa nirifatra mafy ery izy nitondra fiara. Hafaliana tsy misy ohatr'izany ny an'i neny nahita anay telo mianaka. Soa fa nisy Pâtisserie mbola nivoha teo ampita teo ka nahatondra mofomamy sy ranomboankazo ho an'i neny izahay. Gaga i neny hoe nankaiza ity vinantovaviny, ka nohazavaiko azy ny zava-nisy, na dia nisy nafeniko ihany aza. Tsy mba tia ady i neny ka nananatra ahy fa reninjanako i Nathalie ka tsy maintsy mihafy aho na dia mangidy aza izany. Efa tamin'ny 10 ora alina tany ho any izahay telo mianaka vao tafody, ka vava ratsy sy ompa mihitsy no niandry anay.
-Akombony ny vavanao ry Nathalie, eto imason'ireto zaza ireto ve ianao no manao toy izao ? Namangy an'i neny anie izahay fa tsy avy nanao ratsy akory e ?
-Efa nasehonao androany fa ny reninao no tianao noho izaho, ka maninona raha vadiana ny reninao raha tena lehilahy ianao ? Tsy ampy anao ny fety be natolotry ny ray amandreniko ka mbola lasa ihany ianao nanita-dalana ?
-Tena kivy ny aminao aho. Inona no antony nanambadianao ahy mahantra sy mavomavo raha hankahala anay mianakavy toy izao ianao ? Vola fitady ve no antony anambanianao olona eto ?
Tsy nety niara-natory tamin'i Nathalie aho fa naleoko niforitra kely niaraka tamin-janako. Tsy nahita tory aho fa nisaina mafy ny amin'ny hoaviko. Raha mitohy izao dia ho potika hatramin'ny hoavin-janako. Ratsy saina loatra i Nathalie ka mankahala izay heveriny fa tsy mitovy saranga aminy. Tapitra ny herinandro voalohany tamin'ny volana janoary fa mbola tsy niarahaba an'i neny i Nathalie, na dia tamin'ny alalan'ny finday aza. Tsy naharitra aho fa nitondra azy nisintaka ny renivohitra, handaminana ny disadisa misy eo amin'ny tokantranonay. Loza nefa fa izaho indray no tratran'ny fandrahonana tany. Tokony hanapaka ny fifandraisana amin'ny reniko sy ny havako hono aho fa mamindra fahantrana ireny. Mila miala amin'ny asako ihany koa hono aho ka mitady asa tsara karama kokoa. Ary tsy tokony hiady hevitra aminy mihitsy hono fa tsy adala akory izy miteny ahy. Iny andro iny, teny amoron-drano, no nahafantarako fa hifarana tsy ho ela ny tantaranay.
-Tiako ny reniko sy ny havako ry Nathalie, ary tsy mbola nagala-bola tao an-trano aho nanampiana azy ireo na fantatro aza ny fahasahiranany. Tiako ihany koa ny asako, ary fantatro fa na mbola kely aza ny karamako dia misy "opportunités" betsaka miandry ahy. Lazao ahy anie izay efa naha-ory anao hatramin'izay 5 taona nivadiantsika izay ?
-Tsy mila mifanerasera amin'olona mahantra aho e. Ianao koa ve dia tsy menatra hoe izaho aza mbola mandray karama betsaka noho ianao ?
-Raha tena izay no hevitrao dia aleo faranana ny amintsika, satria tsy afaka hanatanteraka ny tianao hatao aho.
-Hisaraka ahoana ? Iza no tadiavinao hoeson'ny olona hoe nisara-bady ? Te hanetry voninahitra anay mianakavy angaha ianao ? Tsy misy miala izany eo e, vadiko ianao dia tsy maintsy miaraka, na tianao na tsy tianao.
-Ny vavan'olona sy ny voninahitrareo mianakavy ve izany no antony tianao hitazomana ahy ? Tsy misy resaka fitiavana izy ity ? Ary aiza ny maha-lohan'ny fianakaviana ahy no toa ianao foana no manapa-kevitra ?
-Izay mampidi-bola be rangahy ity no tompon'ny teny farany an ! Ary raha miseho mampiditra divorce eo ianao dia ataoko tsy mahita an-janakao intsony, mazava ?
Tapitra teo ny resakay. Tsy maintsy nody rahateo fa efa hariva ny andro. Diso fanantenana tanteraka aho satria noheveriko fa tontolo andro mahafinaritra nampirehitra indray ny fifankatiavanay no ho sitrahina, kinanjo ny fisarahana indray no nasiana resaka. Nanomboka teo dia tsy niara-natory intsony izahay fa "vady anarana sisa". Tsy nitsahatra nandrahona ahy izy ny amin'ny hanaovany ahy raha mikasa hisaraka eo aho. Toa nanao teny hafahafa tamiko ihany koa ny rainy fa ho vitany ny mandatsaka ny aiko raha sanatria mivadika amin-janany aho. Asa raha fifandrifian-javatra fa nisy lehilahy tazako nifampiresaka tamin'i Nathalie. Saika haka azy aho mantsy nefa tsy nampandre. Kaodikaody be izy ireo ka tapa-kevitra aho fa hanaraka azy ireo ary hihaino izay resany. Avy be rahateo ny orana ka tsy nifankahitana teny an-dalana. Niakatra tao anaty fiara izy roa ary niditra restaurant kelikely. Najanoko somary lavitra ny fiarako, ka nataoko izay nidirana tao amin'ilay toerana. Soa fa somary maizimaizina ny tao anatiny, noho ny jiro tapaka. Nisy tolàna lehibe nanasaraka latabatra roa, ka tafapetraka taorian'izy ireo aho. Saika latsaka ny ranomasoko nahita azy roa nifanoroka sy nifampisafosafo, saingy nitazona fihetseham-po mafy aho mba hahalalako ny marina rehetra.
-Tena leo aho ry Marco ah, leo an'ilay kisoalahy iny. Amin'io dia izy indray no miseho mandrahona fa hisaraka amiko hono.
-Tsy maintsy mihafy indry e, izaho koa anie tsy afa-mihetsika fa tena mila vanona be ilay rafotsy ao an-trano e. Ataovy ampy andri ny fanomezana rehetra omeko sy ny zaza ikambanana.
Tamin'izay indrindra no niverina ny jiro ka voatery nitsaitsaika nivoaka aho, soa fa mbola tsy tonga ilay "commande". Fantatro tamin'izay fa tsy zanako ny iray amin'izy roalahy, ka iza àry ? Ilay zandriny sa ilay zokiny ? Lasa aho nody sady nieritreritra mafy ny zava-nitranga rehetra. Raha ny hevitro dia ilay zandriny no mety tsy zanako satria efa nanao stage i Nathalie tamin'ny fotoana nampitsaika azy. Raha izany mantsy dia ho mora foana ny hisarahako aminy sy hitondrako ilay tena zanako. Tokony haratra tokoa aho, saingy toa valim-bavaka ho ahy indray no nahalalako zavatra. Izaho mantsy ity toa lasa gadra ato an-trano fotsiny.
-Izao ve madame Nathalie vao miditra ny trano ? Sady izay mamono finday ?
-Fa angaha ianao tonga sahady ? Nirava aloha ve ?
Toa nivadika sariaka sy tsara fanahy i Nathalie. Nanantena mantsy izy fa ho tonga alohako, satria nokajiany ny ora firavako sy ny tokony ahantongavako ao an-trano. Naleoko aloha nangina satria mila porofo maromaro aho. Sary roa sy telo fotsiny mantsy no mba azoko, nefa tsy voatery hanaporofo izany fa mpisakaiza izy ireo. Nikasa ny hanao test ADN aho nefa toa tsy vita eto Madagasikara hono. Indray andro àry, narary tampoka tsy hay hoe naninona ilay faralahikely. Voatery nampidirina hopitaly farak'izay haingana izy. Saika ratsy ny tantara hoy ilay mpitsabo satria raha tara kely izahay dia efa nafoy ilay zaza. Sahirana tanteraka izahay satria i Nathalie miaingitraingitra loatra, toy izany ihany koa ny ray aman-dreniny. I neny sy ny anabaviko ary ikala Bozy no tena nanampy ahy. Andro vitsy taty aoriana dia nanambara ny mpitsabo fa mila ampiana rà i Toavina kely, ka ny iray aminay mivady no tsy maintsy angalana izany rà izany. Teo no nanomboka nivaloarika i Nathalie, satria toa nanahy izy fa ho tratra ny nafeniny. Natomboka taminy aloha ny fizahana, raha mitovy amin'ny an'i Toavina ny sokajindrany : tsy nitovy nefa. Rehefa tonga teo amin'ny anjarako dia tsy nety notsindronina aho. Notereko hilaza ny marina izy, ary nambarako marimarina fa ny ain-janany no hafoy raha mbola mandainga eo izy.
-Antsoy ny tena rain'io zaza io sao hanenenanao ry Nathalie !
-Fa inona koa ity loza lazainao e ? Ianao no vadiko ka iza no tadiavinao antsoiko eo ?
Nosy fanina tanteraka izy. Rehefa tena nandeha nefa ny resaka dia latsa-dranomaso izy ka nibaboka ihany. Soa fa samy teo avokoa, na i neny na ireo ray aman-dreniny. Tsikaritr'ilay dokotera ny disadisa teo aminay mianakavy kely ka tsy nahandry izay fifandaminana izy fa naka rà tany amin'ny "banque de sang" aloha. Herinandro teo ho eo no mbola nitsaboana an'i Toavina kely taorian'ny fanampiana rà azy. Tsy nifampiteny mihitsy izaho sy Nathalie, saingy na izaho na ny fianakaviako dia samy mbola nikarakara ny zaza hatrany, na dia nahafantatra ny marina aza. Telo taona i Toavina kely no teo anilako, noraisiko toy ny zanako naterako, ka tsy haiko ny hankahala azy noho ny adalan-dreniny. Mbola nody tao an-trano aho rehefa nivoaka ny hopitaly ny zazakely. Nila resaka tamiko i Nathalie saingy tsy nety nihaino azy intsony aho. Andro vitsy taty aoriana dia niantso fivoriana kely aho, hifandinihanay mivady sy ny ray aman-dreny roa tonta, niaraka tamin'ireo ray aman-dreny ara-panahy. Teo no nanambarako ny hazo fijaliana nampitondrain'i Nathalie ahy noho ny toetrany, sy ny nahatratrarako ny famitahana nataony ahy.
-Ialako tsiny aminareo ray aman-dreny tonga eto, fa tsy maintsy hifarana ny tantaranay sy Nathalie. Entiko i Tahiana zanako, ary mijanona aminy kosa i Toavina kely. Ny mpitsara mahefa no aoka handidy ny amin'ny fizarana ny fanananay, araka ny zavatra rehetra nitranga.
-Aoka re ry Tojo ah. Tena ifonana aminao ny hadalan-janakay e. Aza avelanao ho lavo izy re fa avelao ny helony. Afa-baraka re izahay fa aza ravana ny tokantranonareo e !
-Amin'ny maha-kristianina antsika anaka dia tsy ankasitrahan'Andriamanitra ny fisaoram-bady. Sady mba efa nifona anie izy e ! Misao-bady tanora hono anie r'ise manome zara ho an'ny sasany e !
-I Toavina kely tsy zanako mba zakako ihany. Fa ny fanambaniana natao ahy isan'andro tena saika namotika ny maha-olona ahy. Tsy tanisaina ny daroka fanaony hampanginana ny vavako. Raha hoy ianareo hoe fahotana dia aleo ho zakaiko ny valiny, fa tsy hiara-hiaina amin'olona tsy tia ahy akory aho, ary indrindra, tsy tiako hijaly sy hiaina anaty lainga ny zanako. Izay olona hahazaka azy any kosa tsy rarahako, sady tsy problemako intsony izany !
-Tsy afaka ny handray an'ise ao am-piangonana intsony izahay raha tena izay no fanapahan-kevitr'ise, hoy ingahy mpitandrina.
-Efa fantatro fa izaho indray no hahazo loza, satria zanaka diakona tena kalaza ao am-piangonana i Nathalie. Fa izao re pasitera ah, tazony ao ny fiangonanareo fa marobe ny trano fiangonana tsy miangatra toa anareo afaka handray ahy.
Ady be ny teny amin'ny fitsarana, ary tena mbola niezaka nandainga i Nathalie sy ireo Ray aman-dreniny. Nisy tovovavy mpiray tanàna sady efa namako hatramin'ny mbola kely no nanendrikendrehan'ireo ahy, nambara fa sipako hono izy io. Misaotra an'Andriamanitra nefa fa nandresy ihany aho ka voatazoko ny tranoko sy ny zanako. Nofihiniko mafy i Toavina kely sady nomeko ilay kilalao tena tsy foiny. Mipetraka any amin'ny Ray aman-dreniny izao i Nathalie sy ny zanany. Izaho sy ilay lahimatoa kely kosa ao an-trano ihany, sady nifindra tao aminay i neny. Tsy mora izany "père célibataire" saingy aleo miaina irery toy izay sempotry ny rivotry ny lainga sy ny fankahalana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo