• Cours de change
  • 4721.37 AR
  • |
  • $4422.7 AR
Copyright Image : © Radio Afrique Santé
Image
Tantara

Moov Confidences : Matim-boninahitra, lany taranaka !

08/01/2024 14:59 © Moov

Tsy misy mpandova ! Ranomaso isan'andro ny andro kely sisa iainanay mivady. Tsy afaka miteraka intsony mantsy ny zanakay vavitokana. Tsy inona nefa no nahatonga izany fa noho ny avonavonay, ny voninahitray sy ny fiheveranay fa lafatra izahay.

Manimba ny maha-olona ny fitandroana ny voninahitra

Olona tsongoin'olom-bolo eto an-tanàna izahay hatry ny ela. Mpanakarembe mantsy ny fianakaviana nifandimby tato amin'ny tranobe ipetrahanay ka izay mifanena dia manajanaja hoe : tsarava tompoko. Andrian-dehibe ny fianakavian'ny vadiko, ka na efa foana aza ny rafitra faha-mpanjaka dia mbola manandaza sy manandanja tokoa izahay.
Izany toerana misy anay izany angamba no nahatonga anay hentitra tokoa tamin'ny fitaizana ny zanakay vavitokana. Naterina sy nalaina tamin'ny fiara hatrany izy fony tany am-pianarana, mba ho fiarovana ny ainy. Tsy dia mivoaka firy rakalakely ka izay namana tena nahatokisany no manantona ao an-trano rehefa faran'ny herinandro. Zaza mpankato tokoa i Kanto, ary tena natahotra anay, indrindra fa ny rainy. Nahay fianarana izy, ka vao 16 taona dia nahazo ny Bakalorea.
Tamin'ny faha-17 taonany ary no niseho ny tantara, fony izy taona voalohany teny amin'ny oniversité. Tsikaritray fa tsy nety nalaina sy naterina intsony izy. Nandeha teny ny andro sy ny volana ka namboraka taminay izy fa misy tovolahy miaraka aminy. Nanadihady tsara izahay, ka inona tokoa fa olona tsy mitovy saranga aminay ity ranamana. Niezaka niteny sy nananatra izahay saingy valy boraingina hatrany no azonay. Nanatitra matetika an'i Meva teo am-bavahady ilay tovolahy, saingy tsy navelanay hiditrany trano. Rangahy vadiko moa nandrahona hatrany fa hametraka fitoriana eny amin'ny manam-pahefana satria tovovavy tsy ampy taona i Meva.
Indray andro, nila resaka taminay i Meva, ka nanambara fa mitondra vohoka, ary vonona hiroso amin'ny raharaha ilay tovolahy miaraka aminy. Tohina ny fonay, ary ny vadiko no nanandra-peo avy hatrany.
-Vao taona voalohany eny amin'ny Oniversite ianao ka hanambady ahoana. Ary raha mbola izaho no Rafatro, tsy manambady faikam-boto toy ireny ianao. Mila vady andriana sy manana ny maha-izy azy ianao.
-Efa miasa anie i Naina ry dada, ka na dia kely aza ny karamany dia vonona izy handray an-tanana ny fiainanay. Izaho koa angaha moa mila mariazy mipoapoaka fa raharaha tsotsotra dia efa mety amiko. Tsy zaranareo aza ve tsy mitsoaka adidy ny rainjanako ?
-Averiko ny teniko : tsy manambady olona mahantra toy ireny ianao. Esory io zaza io ary tohizo ny fianaranao. Rehefa tafita ianao mahita vady mendrika. Raha minia mandika ny teniko eo ianao dia ariako tsy ho zanako intsony !
Nandadilady tao an-trano ilay tovolahy sy ny ray aman-dreniny, nangataka ny tanan-janakay. Saingy naleonay tsy niova hevitra satria zava-tsarobidy loatra taminay ny hahita ny zanakay tafita na amin'ny fianarana na amin'ny fiainana. Herinandro vitsy taty aoriana dia nanapa-kevitra ny hanoa ny teninay i Meva ka nentina tany amin'ny dokotera nanalana ny zaza tao an-kibony. Tapaka ihany koa ny fifandraisany tamin'ilay sakaizany satria nalahelo mafy ilehio tamin'ny nanatsaharana ny vohoka.

Mety diso avokoa ny olon-drehetra

Taona maro izahay mivady no niziriziry tamin'ny hevitray fa "tsy mety diso ny ray aman-dreny". Nizotra tsara ery ny fifandraisanay tao an-trano satria zaza nankato i Meva. Na dia tazanay nanganohano lava aza izy, vitany soa aman-tsara ny fianarany ary tsy ela akory dia nahazo asa ambony izy. Nahita tovolahy zanaky ny mpanana ihany koa izy. Tonga lafatra ny lanonan'ny mariazy, nahazo vady mihaja sy manam-bola ny zanakay, araka ny nirinay fatratra, saingy efa potika ny hoaviny. Ny endrika ivelany, hideran'ny olona anay no nahamaimay anay, kinanjo izahay ihany no namarana ny fitohizan'ny taranakay. Ankehitriny vao tsapanay ny fahadisoanay : tsy nanaja ny maha-olona ny zanakay izahay. Eny, izahay no nividy vato mafana nandoroana ny zanakay.
Roa taona izay no nanambaran'ny zanakay fa noesorina ny tranon-janany, ka tsy misy fanantenana intsony ny hahazoany taranaka. Nisy fiantraikany taminy mantsy ny fanalana zaza sy ireo fitsaboana rehetra natao rehefa nitady zaza izy rehefa nanambady taty aoriana. Na dia nanambola tokoa aza izy mivady kely, tsy nahavidy fifankatiavana sy ain-jaza izany. Ny tena loza dia nisaoran-dralehilahy mora foana izy rehefa fantany fa tsy hanome taranaka azy na oviana na oviana. Tsy tena fitiavana rahateo no nifanambadian'izy roa fa toa "voninahitra" naverina taminay ray aman-dreny roa tonta.
Roa volana no tsy nifaneraseran'ny zanakay firy taminay intsony. Nangidy loatra ny nahazo azy, ary efa tara loatra raha izao vao hanarina. Nangata-tso-drano izy hiampita ranomasina hanorina fiainam-baovao, sady nanome tsiny anay mafy. "Tsy hivelona hanatanteraka ny nofinofinareo intsony aho ry dada sy neny. Raha lany taranaka ianareo dia satria ianareo ihany no nanolotra antsy hamonoana ny zafinareo", hoy izy nanao dia maika nivoaka ny varavarana.
Roa andro izay no nifanenanay tamin'i Naina. Talanjona izahay raha nahita azy mianakavy kely anaty fiara tena raitra. Nitopy ny masony ka tafateny hoe "Misaotra indrindra nanambany ahy fa nanaitra ny hambompoko nahatafitako lavitra tokoa", sady nitsiky kely izy no norohany ilay zazalahikely notrotroiny. Tsy vitan'izany ihany, efa mandeha ny resaka ety amin'ny manodidina ny tamin'ny tantaran-janakay. Ory loatra ny mpiara-monina naheno ny fahorian'i Meva, na dia nafeniny mafy aza izany. Misitri-belona tokoa izahay mivady, noho ny tsy fahazakana ny esoeso sy ny latsan-teny ataon'ny manodidina. Sarotra tokoa ny mandanjalanja ny fitiavan-janaka sy ny fitandrovam-boninahitra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo