• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Kalo
Image
Vaovao

Boky « Kalo » : sady mihaino hira no mamaky boky !

25/10/2023 20:30 © Moov.Mg

Voalazan’ireo mpikaroka rehetra fa mampivelatra ny sain’ny zaza, eny na hatrany an-kibo aza, ny fihainoana mozika. Tahaka izany koa ny vaky boky, izay amporisihan’ireo manam-pahaizana momba ny fanabeazana ny ankizy, satria mampisokatra ny vavahadin-tsaina. Mampitambatra ireo roa ireo ny « Kalo », izay boky sady azo vakiana no azo henoina.

Hira malagasy nentim-paharazana

Voalohany eto Madagasikara no misy karazana boky toa ny « Kalo », izay nampahafantarina ny besinimaro androany teny amin’ny Ivokolo Analakely. Efa andiany roa no nivoaka ary efa manomana ny boky andiany fahatelo ny mpamokatra azy. Avy amin’i Jimmy Rajaonarivo Ratsimandresy, izay mitantana ny Kalo édition, no nitsirian’ny hevitra namoronana ity boky ity. Miara-miasa aminy amin’ny fanatontosana azy i Liantsoa Miora EMADISSON, izay fantatra eo amin’ny tontolon’ny mozika sady tomponandraikitry ny Eveil musical by Tatie Li. Hira miisa 6 no voarakitry ny boky iray, ka hira malagasy nentim-paharazana avokoa izy ireo. Isan’izany, ohatra ny « Zaza madio », « Ao anaty ala », « O Ralila », « Mandry ve ny ao an-tanàna »…

Mozika voarafitra tsara

Na natokana ho an’ny ankizy aza ny boky dia nokendrena kosa mba ho voarafitra tsara ny mozika. I Samy Andriamanoro, izay fantatra loatra eo amin’ny fitendrena zava-maneno, no isan’ny nandrindra izany. Nokendrena mba ho feo mora voaray sy mora tadidin’ny ankizy no nampiasaina. Isan’ny tanjona mantsy ny hanampy ny ankizy tera-tany malagasy na vahiny mba hahafehy ny teny malagasy. Ahitana ny tonon’ny hira sy ny dikany amin’ny teny frantsay rahateo isaky ny pejy. Nandravaka ny boky tamin’ny sary kosa i Sese Dille, izay manana ny toerany eo amin’ny fanaovana ny sary. Miandrandra ny tolo-tanana amin’izay afaka manampy moa ireo mpanatontosa ny « Kalo », mba hahafahana manaparitaka ny boky ho maimaim-poana, indrindra ho an’ny ankizy any amin’ny tontolo Ambanivohitra.

Lire la suite

Articles Similaires