• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Université Antananarivo
Image
Vaovao

Résultats Bac 2023 Antananarivo : Miandry peta-drindrina ny rehetra !

20/08/2023 12:17 © Moov.Mg

Miandry ny fivoahan'ny peta-drindrina eny anivon'ireo foibem-panadinana ny Telma Madagascar vao afaka mamoaka vokatra.

Raha novinavinaina tamin'ny alin'ny sabotsy 19 aogositra ny fivoahan'ny valim-panadinana bakalorea 2023 eto Antananarivo, sahirana ireo mpiadina sy ireo ray aman-dreny miandry izany androany 20 aogositra. Mbola tsy ahitana mangirana mantsy na ny peta-drindrina na ny valin'ny amin'ny alalan'ny SMS.
Ho an'ny Telma Madagascar manokana, tsy afaka mamoaka ny vokatra izy ireo raha tsy mipetraka ireo peta-drindrina eny amin'ireo foibem-panadinana. Ny Oniversiten'Antananarivo moa no nandray izany fanapahan-kevitra izany.

Délibération

Vao omaly hariva be moa vao tanteraka ny "déliberation". Nizotra sy nilamina tsara izany, sady nanaja ny voalazan'ny " article 11 " ao amin'ny " Décret 2021-242 " izay milaza fa 9,50 no naoty farany ambany azo raisina ho afaka. Tsy vitsy ireo efa niandry teny amin'ny foibem-panadinana vao maraimbe androany alahady. Tamin'ny 12 ora teo, mbola tsy misy misokatra ny vavahadin'ireo lisea lehibe eto Antananarivo. Ampahatsiahivina moa fa tsy misy intsony ireo gazety manokana ijerena valim-panadinana bakalorea.
Androany tolakandro no tokony hipetraka ireo peta-drindrina, ka manaraka izay ny fijerena voka-panadinana amin'ny alalan'ny SMS na amin'ny tranokalan'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires