• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn Telma
Image
Vaovao

Ankoay : Nankasitrahan'ny Telma Madagascar

07/07/2023 08:56 © Moov.Mg

Solotenam-panjakana, federasiona, orinasa mpanohana, mpankafy baskety, fianakaviana, olon-tsotra, ... Ireo no tonga nitsena ny ekipam-pirenena Ankoay teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, tamin'ny 4 jolay lasa teo. Omaly 6 jolay kosa, anjaran'ny Telma Madagascar no nandray ireo mpilalao Malagasy.

Fifanolorana fanomezana

Noraisin'ny Telma Madagascar teny amin'ny Campus Telma Galaxy Andraharo ny ekipam-pirenena Ankoay. Nisy ny fandraisam-pitenenana nifandimby ny tale jeneralin'ny Telma sy ny solontenan'ireo mpilalao. Ho an'ny Telma manokana, ezaka goavana no vitan'ny Ankoay, na dia teo aza ny fijanonan'ny lalao teo amin'ny ampahavalon-dalana. Mbola manohana hatrany ireo mpilalao ny orinasam-pifandraisana ahafahan'izy ireo mivoatra hatrany, indrindra mba handrombahana ny amboara amin'ny Lalaon'ny Nosy izay ho tanterahina eto Madagasikara afaka volana vitsy.

Nanolotra fanomezana ho an'ny Telma Madagascar ny Ankoay, toy ny maillots misy autographes sy baolina. Nifampirary soa ny roa tonta mba samy hahita fahombiazana na amin'ny lalao na amin'ny asa.

Ireo fanomezana ho an'ny Telma

Ireto ny baolina baskety natolotry ny Ankoay ho an'ny Telma Madagascar


Copyright Image : © Telma ADN

Ireto kosa ireo maillots efa misy autographes, nosoniavin'ireo mpilalao rehetra


Copyright Image : © Telma ADN

Tsy ny Ankoay irery moa no nankasitrahana omaly fa ireo mpilalao rehetra izay nandray anjara tamin'ny 3x3, na lehilahy na vehivavy.


Copyright Image : © Telma ADN

Lire la suite

Articles Similaires