• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Cnn
Image
Fahasalamana&Sakafo

Mierotra amin’ny alina : ireo fikafika hialana amin’izany

08/06/2023 09:17 © Moov.Mg

Mampijaly tokoa ny miray efitrano na ny miara-matory amin’ny olona mierotra. Miteraka fifandirana, tsy fahampiana torimaso, fahakizitinana… ny fahenona izany isak’alina. Anisan’ireny olona mierotra amin’ny alina ireny ve ianao ? Mety hanampy anao ireto fikafika tsotra ho zaraina manaraka ireto.

Matory miorirana hisorohana ilay mierotra amin’ny alina

Anisan’ny mahatonga ny olona iray mierotra amin’ny alina ny fatoriana mitsilany. Rehefa matory mitsilany tokoa mantsy dia mijanona any aoriana be ao amin’ny ativava ny lela. Voabahana ary voasakan’ity farany ny fivezivezen’ny rivotra. Rehefa voatery ny lalan-drivotra dia lasa mierotra ho azy ilay olona. Tsara kokoa noho izany ny matory miorirana mba hisorohana izany. Afaka asianao lamba manohana ny lamosinao amin’ny alina mba tsy hiverenanao mitsilany intsony mandra-maraina.

Mampiasa ondana mba ahazo toerana avo ny loha

Raha karazan’ireny olona mierotra amin’ny alina ireny ianao dia miezaha hatrany matory misy ondana. Rehefa miondana ianao dia mahazo toerana avo ny lohanao sy tapany ambony amin’ny vatanao. Ho mora kokoa ho anao ny mihaina mandritra ny alina ary ho tony ihany koa ilay faritra mitarika ilay mierotra ao amin’ny tendanao. Aza misalasala mampiasa ondana maromaro mba hiatrika kokoa ny tapany ambony amin’ny vatanao rehefa matory.

Fadio ny toaka sy ny sakafo mavesatra rehefa alohan’ny hatory

Ny toaka sy ny zava-pisotro misy alikaola no fahavalo voalohan’ny olona mierotra amin’ny alina. Fadio ny misotro azy ireny rehefa adiny roa alohan’ny hatory. Lasa mihadonto tokoa mantsy ny hozatra ao amin’ny tenda rehefa avy misotro zava-pisotro misy alikaola ny olona. Ka raha efa mpierotra izy dia vao maika hierotra raha misotro izany alohan’ny atory. Toy izany ihany koa ny fihinanana sakafo mavesatra sy sarotra levonina. Manatevina sy manavesatra ny taovam-pisefoana izy ireny mandritra ny fandevonan-kanina.

Miezaka manena vatana sy manao fanatanjahantena

Ny ankamaroan’ny olona vaventy loatra dia mierotra avokoa rehefa matory. Rehefa mihamatavy ny olona iray dia mihatery ao amin’ny tenda ka lasa manelingelina ny lalan-drivotra. Isan’ny mahatonga ilay feo re rehefa mierotra izany. Mba hampitoniana izany dia tsara raha miezaka manena vatana raha toa ka mihoatra ny tokony ho izy ny lanja. Ny fanaovana fanatanjahantena no fomba voalohany ahatongavana amin’izany. Manatsara ny fiasan’ny taovam-pisefoana ihany koa ny fanetsiketsehana ny vatana. Tandremana kosa nefa mba tsy hanao reraka be loatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo