Homamiadan’ny lela : ny tsara fantatra mikasik’izany
Ny homamiadan’ny lela dia karazana homamiadana miseho amin’ny lela, izay mety eo amin’ny ampahany hita ao anaty vava na eo amin’ny fototry ny lela ao amin’ny tenda. Matetika izy io avy amin’ireo sela mandrakotra ny velaran’ny lela, antsoina hoe « cellules squameuses ». Na dia tsy fahita firy azy izy io dia zava-dehibe ny fahitana azy mialoha satria ambony kokoa ny vintana hahasitranana rehefa mbola vao manomboka ny aretina.
Inona no atao hoe homamiadan’ny lela ?
Misy karazany roa lehibe ny homamiadan’ny lela:
-Ny homamiadana amin’ny ampahany aloha amin’ny lela, izay hita ao anaty vava.
-Ny homamiadana amin’ny fototry ny lela, izay ao amin’ny faritra aoriana anatin’ny tenda (oropharynx).
Ny ankamaroan’ny homamiadan’ny lela dia antsoina hoe « carcinome épidermoïde » na homamiadana avy amin’ny « cellules squameuses ».
Inona avy no antony sy anton-javatra mampitombo ny « risques » hahazoana azy io?
Araka ny fantatr’ireo manam-pahaizana dia vokatry ny fivangogoan’ny fiovana ara-pototarazo izay mahatonga ny sela hihamaro tsy voafehy ny homamiadan’ny lela. Na izany aza dia misy ireo anton-javatra maro mampitombo ny « risques » hahazoana azy io :
-Ny fifohana sigara. Izy io no anton-javatra voalohany (mahakasika ny 90% marary) mahatonga ny homamiadan’ny lela.
-Ny fisotroana toaka. Ny fisotroana toaka matetika sy be dia mampitombo be ny « risques ». Mbola avo kokoa izany raha mifangaro amin’ny fifohana sigara.
-Ny « Virus du Papillome Humain » (VPH ou HPV). Ny karazana otrikaretina HPV sasany, indrindra ny HPV-16, dia voamarina fa misy ifandraisany amin’ny homamiadana ao amin’ny faritry ny tenda sy ny fototry ny lela.
-Ny tsy fikarakarana tsara ny fahadiovana sy fahasalaman’ny ati-vava sy ny nify izay mandrisika ny « inflammation chronique » ao amin’ny vava.
-Ny ratra ao amin’ny faritry lela sy ny manodidina. Ny fikikisana miverimberina vokatry ny solonify tsy mipetraka tsara, nify tapaka, « appareil dentaire » tsy mipetraka tsara… dia mety hampisy ratra maharitra ka mampitombo ny « risques ».
Inona avy ireo soritr’aretina?
Mety hiovaova arakaraka ny toerana misy azy sy ny fivoaran’ny aretina ny soritr’aretin’ny homamiadan’ny lela, saingy ireto no fahita matetika:
-fery tsy mety sitrana eo amin’ny lela;
-tasy fotsy na mena eo amin’ny lela na ao anaty vava;
-fivontosana na faritra matevina eo amin’ny lela;
-fanaintainana ao anaty vava;
-fandehanan-drà tsy mazava antony;
-fahasarotana mitsako na mitelina sakafo;
-fahatsapana toy ny misy zavatra miraikitra ao an-tenda;
-fanaintainan’ny sofina;
-fivontosan’ny « ganglions » ao amin’ny vozona;
-volivoly ny lela na ny vava.
Tsy midika ho homamiadana foana ireo soritr’aretina ireo, saingy tokony hanatona mpitsabo raha maharitra herinandro maro izy ireo.
Ahoana no anaovana ny fitiliana?
Matetika ny fitiliana dia miompana amin’ny:
-fizahana ny vava sy ny tenda;
-fitiliana amin’ny alalan’ny sary ara-pitsaboana raha ilaina;
-« biopsie », izany hoe fakana santionan’ny « tissu » hojerena ao amin’ny laboratoara.
Ny « biopsie » no ahafahana manamarina amin’ny fomba ofisialy raha misy sela homamiadana na tsia.
Inona avy ny fitsaboana azo atao?
Miankina amin’ny dingan’ny aretina ny fitsaboana ny homamiadan’ny lela.
-Fandidiana : Matetika ny fandidiana no fitsaboana voalohany atao mba hanesorana ny « tumeur » sy ireo « ganglions » voakasika raha ilaina.
-Taratra (Radiothérapie) : Mampiasa taratra mahery vaika hamonoana ireo sela homamiadana ny « radiothérapie ». Azo atao irery izy io na aorian’ny fandidiana.
-« Chimiothérapie » : Ampiasaina amin’ny tranga sasany ny « chimiothérapie », indrindra rehefa efa mandroso kokoa ny aretina.
-« Thérapies ciblées sy immunothérapie » : Misy ihany koa fitsaboana manokana kendrena na « immunothérapie » amin’ny tranga sasany, arakaraka ny karazana sy ny fivoaran’ny homamiadana.
Azo sorohana ve ny homamiadan’ny lela?
Tsy misy fomba afaka misoroka tanteraka ny homamiadan’ny lela. Misy kosa ireo fepetraka afaka mampihena ny « risques » :
-tsy mifoka sigara ;
-tsy mihinana paraky;
-mampihena ny fisotroana toaka;
-mitandrina ny fahadiovan’ny ati-vava sy nify;
-manao fizahana matetika any amin’ny mpitsabo nify;
-manaraka ny toromarika momba ny vaksiny HPV raha azo atao.
Ny fizahana matetika ny ati-vava sy ny tenda dia afaka manampy amin’ny fahitana mialoha ny aretina.





