• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Mdn
Image
Vaovao

Fianarantsoa : Tovovavy natao takalon’aina, avotry ny miaramila

06/06/2023 18:22 © Moov.Mg

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ireo miaramila amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny Nosy. Mpaka ankeriny roa indray no voasambotra androany.

Maro ireo trangana tsy fandriam-pahalemana miseho eny anivon’ny fiaraha-monina ankehitriny. Raha efa fahita ireo trangana fanendahana, ireo hala-botry sy ireo fanafihana tokatrano mitam-piadiana dia lasa fanaon’ireo dahalo indray tato ato ny maka olona an-keriny ary manao takalon’aina azy ireo. Matetika dia mangataka vola amina tapitrisany maro ho solon’ny ain’ny olona nalaina natao takalo ireo jiolahy. Miteraka tahotra sy savorovoro ho an’ny fiaraha-monina noho izany ny fisian’ny tranga toa izao.
Anio tamin’ny 10 ora maraina teo ary dia jiolahy roa, fantatra fa naka an-keriny sy nanao takalon’aina ny tovovavy iray no voasambotry ny miaramila avy eo amin’ny Bataillon d’Infanterie an’i Fianarantsoa. Araka ny fantatra dia tao amin’ny fokontanin’i Saropody, distrikan’Isoavina no nanaovan’ireto jiolahy ireto izao asa ratsiny izao. Avotra soa aman-tsara araka izany ilay tovovavy ary efa voasambotra ihany koa ireo jiolahy roa.
Ankehitriny dia efa eny anivon’ny borigadin’ny Zandarimaria ao Isoavina ireo jiolahy ireo, ary hanaovana famotorona sy fanadihadiana farany. Nanambara ary ny teo anivon’ny ministera fa manohy hatrany ny asa fiarovana ny vahoaka sy ny fananany izy ireo. Mankasitraka ireo olona manome vaovao marim-pototra ihany koa izy ireo ahafahany manenjika sy misambotra ireo olon-dratsy. Fomba iray mahomby iadiana amin’ny tsy fandriam-pahalemana tokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpitandro ny filaminana sy ireo olo-tsotra manana vaovao mari-pototra. Antenaina fa hitohy hatrany ny fifanam-piana misy eo amin’ny roa tonta mba hahafahana miady amin’ny fomba mahomby amin’ireo karazana tsy fandriam-pahalemana hita eny amin’ny fiaraha-monina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo