• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Mananara Avaratra : Voatsinjo ny tanora, ny mpandraraha Lavanila ary ny ben'ny tanàna

04/06/2023 22:11 © Moov.Mg

Mitohy ny fitsidiham-paritra tanterahin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Ho an'ny androany 4 jona 2023, nitsidika an'i Mananara ny tenany. Tsy diso anjara ireo tanora, ireo mpandraharaha amin'ny sehatra lavanila ary ireo ben'ny tanàna.

Fametrahana ny vato fototry ny kianja manara-penitra

Efa nampanantenain'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fananganana ny kianja manara-penitra ao Mananara Avaratra. Androany no natomboka tamin'ny fomba ofisialy ny asa fanamboarana. Kianja lehibe mahazaka olona miisa hatramin’ny 1000 no ho sitrahin'ireo tanora mpankafy fanatanjahan-tena any an-toerana. Heverina fa azo andraisana lanonana isan-karazany ihany koa ny kianja. Nisy sary lehibe moa nampahafantarana sahady ny vahoaka ny amin'ny mety ho endriky ny kianja.

Fizarana "agrément" ho an'ireo mpikirakira lavanila

Anisan'ny mpanondrana lavanila matanjaka i Mananara Avaratra. Mba ho fitsinjovana ireo mpandraharaha sy mpikirakira, nanolotra taratasy fahazoan-dalana mikirakira ny lavanila « agrément » ho an’ireo koperativa maro tany an-toerana ny filoham-pirenena. Nametraka hafatra ho azy ireo ny Filoha tamin’izany, dia ny mba hanajan’izy ireo ny fifanarahana amin’ny fividianana ny lavanila any amin’ireo tantsaha ary amin’ny vidiny ara-dalàna efa napetraka. ""Aoka tsy hifanambaka", hoy ny tenany, ary ireo izay tsy manaja ny fifanarahana dia ho esorina aminy ny taratasy fahazoan-dalana.

Fampitaovana ny ben'ny tanàna

Nahazo moto vaovao ireo ben'ny tanàna rehetra tao Mananara Avaratra. Izany moa no natolotra dia mba hanamorana ny fikarakarana ireo vahoaka. Matetika mantsy izy ireo no voatery mandeha an-tongotra lavitra noho ny asa maro iandraiketany.
Hisy ihany koa ny tetikasa manokana fanomezana fitaovana harifomba ho azy ireo ahafahany manatanteraka haingana ny andraikitr’izy ireo ao anatin’izany solosaina sy imprimante miaraka amin’ny panneau solaire ho an’ny tanàna tsy misy herinaratra.

Famaliana hetaheta isan-karazany

Nanome toromarika ireo tompon’andraikitra rehetra voakasika ihany koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny amin'ny hanombohana ny asa fanamboarana ny lalana rehetra ao anaty tanàna izay efa tena simba tokoa, na ny lalana tara izany na ny lalana rarivato. Torak’izany koa ny fametrahana fotodrafitrasa mamatsy rano fisotro madio izay nanomezany toromarika manokana ny Minisitra tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny fametrahana izany haingana. Ankoatra izany moa dia hatsangana ao Mananara Avaratra araka ny fangatahan’ny vahoaka ihany koa, ny biraon’ny fananantany, ny topo ary lapan’ny Fitsarana mba hanalana fahasahiranana sy hamongorana ny kolikoly.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo