• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Karate - Andry Rajoelina : Nampiakarina grade 6ème dan, tepana mainty

28/05/2023 18:00 © Moov.Mg

Anisan'ny vaovao nanintona ny sain'ny maro ny mikasika ny fampisehoana haiady nataon'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina. Tsy izany ihany fa nanaitra ihany koa no nampakarana "grade" azy.

Noporofoin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa tsy kobaka am-bava fotsiny no nanambarany fa "champion" amin'ny taranja karate ny tenany. Tamin'ny sabotsy 27 mai 2023, fanombohana ny Fihaonamben'ny Karate-do eto Madagasikara, no nampisehoany ny maha-mpikatroka matihanina ny tenany. Tsy nisy nanam-po hahita filoham-pirenena hiakatra tatami moa ny rehetra nanotrona teny amin'ny Palais des Sports Mahamasina. Tao anatin'ny horakoraka tanteraka no nandraisan'ny mpijery ny filoham-pirenena sy ireo mpikatroka namany nanao "démonstration".

Nandritra izany lanonana izany no nampiakarana ho grade 6ème dan, tepana mainty, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, izay mpikatroka karate ihany koa. Ny Maître Hansi René Ramanitrandrasana (10ème dan) no nanolotra azy izany.
"Ny karate dia tsy resaka haiady fotsiny ihany fa fifehezan-tena, lalana mankany amin'ny fahombiazana, mampianatra hiatrika ireo fanamby rehetra atrehantsika eo amin'ny fiainana ary fomba iray hahazoantsika herim-po ao anatin'ny faharetana mba hahombiazana amin'ny zava-drehetra eo amin'ny fiainana" hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Mari-boninahitra

Tsy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina irery no nomena voninahitra omaly. Notsarovan'ny fitondram-panjakana manokana ihany koa i Hansi René Ramanitrandrasana, izay malagasy manana ny laharana ambony indrindra amin’ny karate ary namorona ny federasiona karate malagasy rahateo. Notolorana ny laharam-boninahitra "Commandeur de l'Ordre national" moa ny tenany.
Manantena ny hahazo vokatra tsara sy miavaka ireo mpikatroka karate hiatrika ny lalaon'ny nosy 2023, noho ny fanohanan'ny Filohan'ny Repoblika manokana azy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires