• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pmpm
Image
Vaovao

Bac 2025 : Manome toromarika mazava ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony

13/03/2025 08:12 © Moov

Kihon-dalana manan-danja eo amin’ny fiainan’ny tanora ny fanadinam-panjakana bakalorea. Isan-taona nefa, tsy vitsy nefa ireo mpianatra misedra olana, ka tsy voasoratra anaty lisitry ny mpiadina na anisan’ireo tsy afa-panadinana noho ny tsy fahafenoana ny fepetra takiana.

Miha-manakaiky ny fotoanan’ny fanadinam-panjakana Bakalorea 2025, ka manentana ireo mpiadina ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa mba hanaraka ireo toromarika rehetra. Nisy ny fivoriana fanomanana izay nandraisan'ireo tompon'andraikitra rehetra anjara, notarihin-dRamatoa Minisitra, Pr CHAMINAH Loulla, omaly 12 marsa.

Mifarana amin’ny 25 avrily ny fisoratana anarana
Ny faha-25 aprily 2025 no fe-potoana farany hisoratana anarana ho an’ireo mpianatra te hiatrika ny fanadinana Bakalorea. Zava-dehibe ho an’ny mpiadina rehetra ny manaraka ity fe-potoana ity, satria tsy hisy fanalavam-potoana omena. Tokony ho feno sy ara-dalàna ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fisoratana anarana, mba tsy hisy olana amin’ny fanamarinana sy ny fandraisana anjara amin’ny fanadinana. Tsara raha misitraka ny fanampiana mpampianatra na ray aman-dreny ny mpiadina rehefa mameno ny taratasy fisoratana anarana sy mampiaraka izany amin’ireo antontan-taratasy ilaina.
Misy moa ny vola aloa, ka 15 000 ariary izany ho an'ireo mpianatra miankina amina sekoly (candidat d'école) ary 50 000 ariary ho an'ireo mpanala fanadinana amin'ny anaran'ny tenany manokana (candidat libre). Ho an'ireo mpiadina vahiny kosa, izany hoe tsy teratany Malagasy, 100 000 ariary ny saran'ny fisoratana anarana.

Tsy maintsy atao ny taranja EPS pratique
Tsy azo heverina ho taranja safidy mihitsy ny Éducation Physique et Sportive (EPS) pratique. Izany dia midika fa tsy maintsy manatanteraka an’io taranja io ny mpiadina rehetra. Tsy misy safidy izany hoe hanao « théorie » sa « pratique ».
Raha misy tsy afaka manao ny EPS pratique noho ny antony ara-pahasalamana na antony manokana, ilaina ny mitondra taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitsabo na avy amin’ny tompon’andraikitra ara-dalàna. Izany fanamarinana izany no hahazoana alalana hanao EPS théorique.

Safidy tsy azo ovaina ny SVT na Physique-Chimie

Tsy azo ovaina intsony ny safidy amin’ny taranja Sciences de la Vie et de la Terre (SVT) na Physique-Chimie. Midika izany fa raha vantany vao voafidy ny taranja dia tsy misy fanovana azo atao amin’ny manaraka. Noho izany, manentana ny mpiadina ny ministera mba handinika tsara mialoha ny hanaovana safidy, satria io no hoentina amin’ny fanadinana farany.
Dieny izao, entanina ny mpiadina tsirairay mba hifantoka tsara amin'ny fianarana. Izany no atao dia ilàna amin'ireo mety ho fakam-panahy amin'ny hala-tahaka amin'ny androm-panadinana. Tsiahivina mantsy fa sazy enjana no ampiharina amin'ireo mpangala-tahaka, dia ny tsy fahafahana miatrika fanadinam-panjakana mandritra ny 5 taona.


Copyright Image : © MESUPRES

Lire la suite

Articles Similaires