• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Letsfamily
Image
Sexualité & Mariage

Fitaizana: mahasoa ny zaza ny fanabeazana miabo

16/05/2023 15:28 © Moov.Mg

Miankina betsaka amin’ny fitaizana ny zaza ny toe-tsaina sy toe-po entiny miatrika ny fiainana rehefa lehibe izy. Maro ankehitriny ireo fanentanana atao amin’ny ray aman-dreny mba hampiatra ny fanabeazana miabo ho fikolokoloana sy ho fitaizana ny zaza. Fa inona tokoa moa izany fanabeazana miabo izany ary inona avy ireo vokatsoa entin’izany eo amin’ny zaza sy ny ankizy ?

Inona no atao hoe fanabeazana miabo ?

Fomba fanabeazana mifantoka amin’ny fifampiresahana sy ny hatsaram-panahy ny fanabeazana miabo. Azo ampiarina tsara izany fomba fanabeazana izany na any an-tsekoly na ao an-tokantrano. Tafiditra tanteraka anatin’ny fanabeazana miabo ny fanomezana teny mamy sy ny fampaherezana hatrany ny zaza amin’ny zavatra rehetra ataony. Arahabaina izy rehefa misy zavatra tsara ataony sy vitany ary anarina am-pitiavana sy am-pitoniana izy raha misy tsy nety ny nataony.
Anisan’ny fototra ijoron’ity fomba fitaizana ity ihany koa ny fandanjalanjana ny fahefana, fametrahana fitsipi-pifehezana sy ny fampandraisana andraikitra ny ankizy. Anisan’ny fihetsika sy fomba fadiana anatin’ny fanabeazana miabo kosa ny fanaovana teny marary, ny fanomezana tsiny, ny fanambaniana na ny fanabadoana ny zaza.

Ireo soa entin’ny fanabeazana miabo eo amin’ny zaza sy ny ankizy

Efa maro ankehitriny ireo ray aman-dreny mampihatra ny fanabeazana miabo ho fikolokoloana ny zanany. Maro tokoa mantsy ireo vokatsoa entin’ity fomba fitaizana ity eo amin’ny zaza sy ny ankizy :

Mora mahay mifandray aman’olona ny zaza taizana amin’ny fanabeazana miabo

Rehefa beazina anaty fitiavana sy hatsaram-panahy ny zaza sy ny ankizy dia ahatsaro sambatra tokoa eo amin’ny fiainany. Matetika izy ireny dia lasa manana toe-tsaina miramirana sy sariaka entiny mandrapaha-lehibe. Ho mora kokoa amin’izy ireo ny misokatra amin’ny olona hafa eo amin’ny lafiny fifandraisana, na eny amin’ny fiarahamonina izany na eny amin’ny toeram-piasana.

Mampitombo ny fahatokisan-tena

Manampy betsaka amin’ny fanefena ny toetry ny zaza sy ny ankizy ny fanabeazana miabo. Mora miantefa any amin’ny zaza sy ny ankizy ny teny sy ny fihetsika atao aminy eo amin’ny fiainana andavanandro. Mampitombo ny fahatokisan-tena eo aminy ny fankaherezana ataon’ny ray aman-dreniny azy isaky ny tojo tsy fahombiazana izy eo amin’ny fiainany.

Manefy ny ankizy ho olon-dehibe vanona ny fanabeazana miabo

Fikarohana sy fanandramana maro natao tany ivelany no manamarina fa marani-tsaina ary afaka mivelatra haingana amin’ireo lafiny maha olona azy ny zaza taizaina amin’ny fanabeazana miabo. Mamporisika ny ray aman-dreny hamboly fomba fijery miabo eo amin’ny zanany ihany koa ity fitaizana ity mba hahatonga azy ho olom-banona rehefa lehibe.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo