• Cours de change
  • 4682.6 AR
  • |
  • $4356.37 AR
Copyright Image : © Gostudent-Blog
Image
Sexualité & Mariage

Fitaizana : mila zarina manao raharaha ny ankizy dieny mbola kely

09/05/2023 17:35 © Moov.Mg

Anisan’ny antoka iray lehibe mampahomby ny fitaizana ny fanazarana ny ankizy hanao raharaha dieny mbola kely izy ireny. Tsy hoe misy mpanampy ao an-trano dia tsy atao mandray ravin-dena ny zanaka. Inona no antony mila anazarana ny ankizy hanao raharaha ary ahoana ny fomba atao mba hampazoto azy amin’ny fanatanterahana izany ?

Zarina manao raharaha ny ankizy mba ho olon-dehibe mandray andraikitra

Fomba iray hanefena ny toetry ny zaza mba ho olon-dehibe mandray andraikitra ny fandrisihana azy hanao raharaha dieny mbola kely. Rehefa zatra manao raharaha ny ankizy dia ho mora mahaleo tena eo amin’ny fiainana. Tsy zatra miantehitra amin’ny hafa izy amin’ny fikarakarana ny tenany rehefa miha lehibe. Maro tokoa ankehitriny ireo ankizy diso nampiantain’ny ray aman-dreniny hany ka tsy mahay mikarakara ny tokantrano rehefa lehibe, na vehivavy izany na lehilahy. Ao an-tokantranon’ny ray aman-dreny ny ankizy no mila mianatra mahandro sakafo, mandamina trano, mipasoka, mansa lamba, miantsena… Fahazarana entiny mandrapaha-lehibeny ny fananana fandavan-tena mampirin-trano, mahandro sakafo…

Ahoana ny fomba atao mba hanazarana ny ankizy hanao raharaha ?

Mandeha amin’ny ambarantongany ny fanazarana ny ankizy hanao raharaha. Atomboka amin’ny fampianarana azy antony mahatonga azy atao mandray anjara amin’ny fanaovana raharaha ao an-trano. Manaraka izany, safidiana araka ny taonany sy ny fahaiza-manaony ny raharaha ampanaovina azy. Manomboka 5 taona eo ny zaza dia efa afaka asaina manao zavatra tsotra toy ny mampirina fandriana, mandamina ny fitaovam-pianarany sy ny kilalaony, manangona lamba avy nosasana, manasa mosoara sy bà kiraro… Izany hoe ireo raharaha tsy atahorana hoe manimba zavatra. Afaka ampianarina manasa lovia sy manampy amin’ny fikarakarana sakafo ny ankizy manomboka ny faha 8 taonany. Anjaran’ny ray aman-dreny no mamaritra ny andraikitra sy raharaha ataon’ny zanaka ao an-trano. Tandremana tsara kosa ireo raharaha mety manohitohina ny fitombon’ny zaza toy ny fibatana zavatra mavesatra loatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo