• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Lepoint
Image
Tantara

Moov Confidences : Mpivarotena aho ... Izaho irery no mamelona ny zanako telo ...

27/03/2023 06:13 © Moov.Mg

Tsy mora ny mitady asa ankehitriny na hoan'ireo nahavita fianarana ambony aza. Ho an'i M, nianatra 3 taona teny amin'ny anjerimanontolo izy saingy tsy nambinina tamin'ny tontolon'ny asa birao izay nonofinofisiny hatrizay. Voaterin'ny tsy fananana izy ka roboka tamin'ny asa fivarotan-tena.

Inona no nahatonga anao hivarotena ?

Hatramin'izay nanambadiako dia nikarakara ny ankohonako tao an-trano aho. Niankin-doha tanteraka tamin'ny vadiko aho. Tamin'izaho bevohoka ny zanakay fahatelo nefa dia nisaraka izahay noho ny antony maro. Nanomboka teo no sahirana tanteraka aho satria zara raha nahazo vola isam-bolana. Nanao asa madinidinika toy ny varotra teny saingy kely loatra ny vola azo.
Enim-bolana ny zanako farany no nanomboka nivaro-tena aho. Azoko lazaina hoe nivoatra ny fiainanay satria tsy latsaky ny roa alina ny vola entiko mody isa-maraina. Rehefa tena mahita client moa dia mahazo iray na roa hetsy.

Nanao ahoana ny fihetsem-ponao tamin'ny nahazo client voalohany ?

Nitomany aho tamin'ny niditra chambre voalohany niaraka tamin'ny lehilahy tsy fantatro akory. Tsy tena mbola haiko ireo fombafomba rehetra fa dia nanaiky izay nataony ahy teo fotsiny aho. Soa fa lehilahy tsy dia mahery setra loatra ilay ranamana. Tetsy an-daniny dia lasa saina tanteraka aho. Nanontany tena aho hoe tsy maintsy izao ve no amelomako ny zanako ...

Inona ny tena tsy zakanao amin'ny asanao ?
Efa ho herintaona izao no naha-mpivaro-tena ahy. Mandainga amin'ny reniko sy amin'ny fianakaviako aho hoe "réceptionniste" amina hotely lehibe iray. Matetika nefa no tsapako fa efa tsy mahatoky ahy intsony ireo akaiky ahy. Misy aza moa mpiara-monina mandrangitra an-janako hoe "makorelina" ny mamanareo. Rehefa mijorojoro mitady client aho dia raiki-tahotra foana sao misy olona mahafantatra ahy mandalo.

Mikasa hiova asa ve ianao sa hijanona hivarotena foana ?
Hatreto aloha tsy maintsy mbola mivarotena aho noho ireo zanako. Tiako ho tafita izy ireo na dia manao asa tsy mendrika aza ny reniny. Efa mandinika tetik'asa ihany anefa aho, ary efa mitahiry vola ananganana tsena metimety.

Inona ny hafatra omenao ny vehivavy ?
Na be karama aza ny vady dia tsara raha mahaleo tena ny vehivavy. Mety hiova ao anatin'ny segondra vitsy mantsy ny fiainana. Maro aminay mpivarotena no maty vady na nilaozam-bady tampoka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo