• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Marc_Ravalomanana_Ofisialy
Image
Vaovao

Fifidianana mangaraharaha sy iarahan’ny rehetra manatanteraka no ajoro

24/03/2023 18:28 © Moov.Mg

Nifarana anio ny fitsirihina ny lisitry ny mpifidy izay notanterahina nandritra ny telo andro izay tetsy Alarobia.

Telo andro misesy izay dia notanterahina tetsy Alarobia ny fitsirihina ny lisitry ny mpifidy, izay nokarakarain’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI. Marihina fa notarihin’ny Vondrona iraisam-pirenenana ny tany mampiasa manontolo na amin’ny ampahany ny fiteny frantsay na ny OIF ny fihaonana. Nasaina handray anjara tamin’izany ihany koa ireo solontena avy amin’ny antoko politika sy ny fiarahamonim-pirenenana.

Hery Rajaonarimampianina : Mila ampandeferina ny ambopon’ny tsirairay

Solontena avy amin’ny antoko politika maro no nandray anjara sy nandray fitenenana nandritra io fotoana io. Anisan’ireo namaly ny antso ka tonga nanatrika ny fotoana anio ny filoham-pirenenana teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Nandritra ny fandraisany fitenenana dia nitodika tany amin’ireo antoko politika ny tenany. Zava-dehibe hoy izy ny finiavan’ny CENI hametraka fifidianana ao anaty fitoniana. Fa ilaina ihany koa ny mametraka fifidianana manaja ny làlam-panorenana. Izany hoy izy no antoky ny fitoniana. Ary ny krizy miverimberina dia vokatr’izany tsy fanajana ny làlana sy ny làlam-panorenana izany.
Tsy fihaonan’ny mpitondra sy ny mpanohitra. Fiaonana iarahana mitady hevitra amin’izay hampisy fifidianana ahafana mitondra vahaolana eto amin’ny firenenana. « Mila ampandeferina ny ambopon’ny tsirairay mba hibanjinana ny tena tombotsoan’ny firenenana sy ny tombotsoan’ny vahoaka malagasy. » hoy hatrany ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina.

Marc Ravalomanana : Fifidianana azo antoka

Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany ihany koa ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Fitakiana ny fametrahana zotram-pifidianana azo antoka tsara no tanjona, raha ho an’ity filoha teo aloha ity. nambarany ihany koa fa tokony ary tsy maintsy amin’ity taona 2023 ity no hanatanterahana ny fifidianana raha ny làlana manan-kery no jerena.
Ao anatin’izany fametrahana fifidianana mangaraharaha sy iarahan’ny rehetra manatanteraka dia nilaza ny tenanny fa tokony tsy sakatsakànana izy ireo hanentana ny olom-pirenenana hisoratra anarana anaty listry ny mpifidy. Izany hoy izy no asa imasoan’izy ireo mba hanànana fifidianana madio sy eken’ny rehetra.
Na dia eo aza ny fihaonana misy eo amin’ireo hery velona rehetra dia manahy hatrany ny mpifidy sy ireo kandida amin’ny fahafahana mametraka izany fifidianana tena mangaraharaha izany. Tsiahivina anefa fa miantoka tanteraka amin’ny fandehan’izany fikarakarana fifidianana izany ny fiainana politika eto amin’ny firenenana, fa indrindra indrindra ny fiainana andavan’andron’ny malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo