• Cours de change
  • 4625.72 AR
  • |
  • $4388.49 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fisolokiana eny amin’ny « cash point » : Olona telo nosamborin’ny polisin’ny BC

24/03/2023 09:15 © Midi Madagasikara

Vola manodidina ny 5 tapitrisa ariary no very, lasan’ireo mpisoloky tamin’ny « cash point » iray. Azon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fametsifetsena ilay olona mitazona ity toerana fandefasana sy fangalana vola ity.

Niditra an-tsehatra ny pôlisy ary nametraka velam-pandrika. Voasambotra tetsy Ambondrona ny iray tamin’ireo mpisoloky niaraka tamin’ny namany mpiray tsikombakomba taminy, ny talata lasa teo. Vehivavy anankiroa izy ireo, niaraka tamin’ny lehilahy iray.

Marihana, hoy ny fanazana nentin’ny pôlisy fa manana tetik’ady hafa mihitsy ireto farany, entiny misoloky ireo lasibatra ary mandaitra hatrany izany. Toy ny nahazo ity « cash point » iray tetsy Behoririka ny 11 febroary lasa teo. Maka ny mombamomban’ny tompon’ilay toerana aloha ny iray ary afaka herinandro dia misy iray tonga indray eo amin’ilay toerana mandatsaka ny harato amin’izay. Efa fantatr’izy ireo fa tsy ny tompony no mitazona ilay toerana fa mpiasa ary hararaotiny amin’iny. Ezahin’ireto mpisoloky amin’izay ny mandrirarira ny resaka ahazoany ny « code » amin’ilay finday ampiasain’ity toerana ity. Mazava ho azy fa ao anatin’izany dia milaza hatrany izy ireo fa efa niantso ny tompony, ahafahan’ilay mpiasa matoky ireto farany. Raha ny nambaran’ny pôlisy dia saika vehivavy roa foana izy ireo iray petsapetsa saingy tsy miaraka tonga eo amin’ilay « cash point ». Ary amin’ny alalan’ny « transaction à distance » no ahafahany mangalatra ny vola ao amin’io toerana io. Tamin’ity tranga tetsy Behoririka ity dia vola manodidina an-tapitrisany maro no lasa.

Nihevitra ny tsy ho tratry ny aloka mihitsy ireto olon-dratsy ka niverina indray hanao ny fanaony tetsy Ambondrona. Efa nandrasan’ny pôlisin’ny sampana miady amin’ny heloka bevava fotsiny anefa, taorian’ny fitairanana azon’izy ireo ary dia izao voasambotra izao. Olona telo aloha no fantatra fa voatazona noho izay resaka izay : vehivavy iray niaraka tamin’ny vadiny sy ny rafozam-baviny. Ireto farany izay sokajiana ho mpiray tsikombakomba ihany satria nampiasa ilay vola halatra, namadika izany, ho petra-bola tamin’ny fananganan’izy ireo « épicerie ». Ny naman’io vehivavy io kosa dia mbola an-dalam-pikarohana, hoy hatrany ny vaovao azo.

m.L

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo