• Cours de change
  • 5008.54 AR
  • |
  • $4481.05 AR
Copyright Image : © Mic
Image
Vaovao

Famokarana siramamy : Ho ampiakarina hatramin’ny 844 000 taonina ny fary madio azo ahodina

12/05/2025 14:23 © Moov

Averina hampiroboroboina sy hatsaraina ny famokarana siramamy. Ho amin’izany tanjona izany dia nikarakara atrikasa nandritra ny roa andro tany Ambilobe ny CMCS (Centre Malgache de la Cannes et du Sucre), ny faran’ny herinandro teo.

Nandray anjara tamin'izany ireo mpisehatra lehibe eo amin’ity lalam-pihariana ity; toy ny Federasionan’ny Mpamboly, ny orinasa mpanodina SUCOCOMA, ary koa ny tompon’andraikitra ara-panjakana amin’ny sehatra voakasika. Ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra no nitarika izany.

Fampitomboana ny vokatra fary

Isan’ny zava-dehibe nivoitra nandritra ny atrikasa ny fampitomboana sy fanatsarana ny fambolena fary. Izy ity izay akora fototra ilaina amin’ny famokarana siramamy. Tanjon’ny rehetra ny hampiakatra hatramin’ny 844 000 taonina ny fary madio azo amidy, hahafahana mampiakatra ny vokatra siramamy ho 96 000 taonina amin’ity taom-pamokarana 2025 ity. Raha tsiahivina dia 200 000 taonina ny vokatra fary tamin’ny taona 2024 raha teo amin'ny 23 000 taonina teo ny siramamy voaodina. Nisy fihenana izany noho ny rotsak’orana nameno fasika ireo tanimboly sy noho ny fomba fambolena tsy nisy fanolokoloana.
Efa nohatsarain’ireo orinasa hatrany ny teknikam-pambolena ahafahana mampitombo ny vokatra amin'ity taona 2025 ity. Ao anatin’izany ny fanomezana masomboly nohatsaraina ho an’ireo tantsaha, tena misehatra amin’ny fambolena azy. Nandritra io fotoana io ihany dia efa natolotra, teo ambany fitarihan-dRamatoa Sekretera Jeneraly sy ny Tale Jeneralin’ny CMCS ho an’ireo mpamokatra fary ny karazana masomboly nohatsaraina avy any ivelany.

Fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny mpamboly sy ny orinasa

Ankoatra ny famokarana dia mila hamafisina ihany koa ny fifandraisana eo amin’ireo mpamboly sy ireo orinasa mpamokatra siramamy. Voaresaka nandritra ny atrikasa ihany koa ny fandrafetana ny fifandaminana mikasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny Mpamboly sy ny orinasa mpanodina, mandritra ny taom-pambolena manaraka. Narafitra ho fifanarahana vita sonia izany. Tao anatin’izany ihany koa ny fifampitsinjovana amin’ireo anatin’ny sehatra. Samy resy lahatra mantsy izy ireo fa zava-dehibe ny fandrafetana ny paikady mirindra ho fampandrosoana ny famokarana sy fanodinana ny fary.
Tetsy ankilany dia nijerena vahaolana ihany koa ny manodidina ireo olana ara-piarahamonina momba ny famokarana fary, toy ny fanimban’ny biby fiompy ny fary amin'ny toerana sasantasany. Samy hanatanteraka ireo ezaka mifandraika aminy ireo mpisehatra hahatrarana ny tanjona.

Lire la suite

Articles Similaires