• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © 3S Santé
Image
Asa & Fianarana

Mpanala fanadinana : Ahoana ny fomba hahombiazana ?

20/03/2023 17:02 © Moov.Mg

Lalovan’ny mpianatra rehetra ny fanalana fanadinana, eny na efa mianatra eny amin’ny oniversite aza. Maro ireo mahatsiaro tena sahirana amin’ny fianarana lesona sy ny fanalana fanadinana amin’ny ankapobeny. Ireto ary misy torohevitra vitsivitsy ho an’ny mpanala fanadinana mba hahombiazana.

Mpanala fanadinana : atomboka amin’ny fifantohana any am-pianarana ny fianarana lesona

Maro ny mpianatra mpanala fanadinana no miandry fotoana farany vao manovokovoka mianatra lesona. Miari-tory alina be na mifoha maraina be amin’ny androtry ny fanadinana hianarana ny lesona natao nandritra ny volana maro. Fomba iray tena mamizaka ny saina ary matetika tsy mahomby izany. Mba hisorohana izany dia mila mifantoka tsara any am-pianarana mba ho azo tsara sy ho mora tadidy ny lesona. Henoina tsara ny fanazavan’ny mpampianatra ary averina vakiana kely ilay lesona rehefa tonga any an-trano. Rehefa tonga ny fotoanan’ny fanadinana dia ho mora kokoa ny mianatra ny lesona ary tsy ho lany fotoana be intsony hameranana izany.

Mila mahay mamintina ny lesona ny mpanala fanadinana

Fomba iray afaka manampy betsaka ny mpanala fanadinana ny fahaizana mamintina ny lesona. Ny mpianatry ny oniversite no tena voakasik’izany. Tsy mety intsony ny mianatra tsianjery be ny lesona fa ny fahazahoana ny votoatiny no ilaina. Noho izany, mila vakiana ny lesona ary ezahina ho azo tsara ny hevi-dehibe. Avy eo fintinina ireto farany ary soratana anaty taratasy mba ho vakivakiana matetika. Azo atao izany avokoa ireo taranja rehetra misy lesona lavabe mila tadidiana. Tsy miandry efa lava loatra ny lesona vao manao io famintinana io fa mety hitarika hakamoana sy havizanana izany.

Ilaina ny fananana saina tia karokaroka

Mahomby kokoa ny mpanala fanadinana tia karokaroka noho ireo mihonona amin’ny lesona omena any am-pianarana. Efa malalaka be ny fampiasana ny aterneto ankehitriny. Afaka manitatra fahaizana ny mpianatra, indrindra ireo efa eny amin’ny ambaratonga ambony, amin’ny fanaovana fikarohana ao amin’ny aterineto. Isaky ny misy lesona vaovao hazo dia miezaka hatrany manitatra fahalalana mba ho mora tadidy ny zavatra vaovao nianarana. Tsy misalasala ihany koa mametraka fanontaniana raha misy zavatra tsy azo tsara ny fanazavan’ny mpampianatra.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo