• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Haja Rasoanarivo
Image
Culture

Tranon'ny Praiminisitra Rainilaiarivony : Hatao Mozea azo tsidihan'ny besinimaro

19/03/2023 16:26 © Moov.Mg

Nambaran'ny minisitry ny serasera, Lalatiana Rakotondrazafy Andriantogarivo, fa hatao Mozea ny trano fonenan'ny Praiminisitra teo aloha Rainilaiarivony, izay hita etsy Amboditsiry.

Fanadiovana

Mitahiry tantara sarobidy maro ny tranon'ny Praiminisitra Rainilaiarivony. Izany indrindra no amadihana azy ho Mozea, izay hosokatra ho an'ny Malagasy tsivakivolo sy ny mpizahatany. Natomboka omaly Sabotsy 18 martsa ny fanadiovana ny toerana, tamin'ny alalan'ny Tagnamaro. Nanolo-tanana ny ekipan'ny ministeran'ny kolontsaina sy ny serasera ny mponina teny Amboditsiry sy ny manodidina. Hanomboka tsy ho ela ihany koa ny asa fanavaozana ny anatiny sy ny ivelany
Tsiahivina moa fa i Rainilaiarivony dia nitantana ny Fanjakana Malagasy tamin'ny andron'i Rasoherina, Ranavalona II ary Ranavalona III. Samy novadiany nifandimby avokoa moa ireo Mpanjaka telo nifanesy ireo.

Vakoka Malagasy ny taona 1984

Tamin'ny taona 2019 dia somary nisy olana teo amin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny taranak'i Rainilaiarivony. Nambara nefa fa efa novidian'ny fanjakana tamin'ny 4 septambra 1978 ny trano. Ny taona 1984 moa no nanoratana azy ho vako-pirenena.
Tamin'ny taona 2020 no efa navaozin’ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina tanteraka ity trano fonenany izay anatina toerana mirefy 02 Ha. Tamin’izay no efa saika nosokafana ho Mozea ity toerana manan-tantara ity, saingy noho ny fahasarotana tamin’ny fanangonana ireo vakoka tokony haranty ao sy ny fisian’ny valan’aretina Covid-19 dia izao indray vao hirosoana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo