• Cours de change
  • 4682.6 AR
  • |
  • $4356.37 AR
Copyright Image : © Mjm
Image
Vaovao

Antsohihy – tomban’ezaky ny taom-pitsarana 2022 : Tsara ny vokatra

19/03/2023 15:53 © Moov.Mg

Ny zoma lasa teo no nanantanterahana ny fotoam-pitsarana manetriketrika ho famaranana ny taom-pitsarana 2022 ary ihany koa ho fanombohana ny taom-pitsarana vaovao 2023 ho an’Antsohihy. Tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao antoerana no nanatanterahana izany koa tamin’izany indrindra no nanaovana tomban’ezaky ny taon-dasa.

Tsapa fa nisy vokany tsara ny ezaka natao nandritra iny taona 2022 raha ho an’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antsohihy manokana no resahana. Azo tsapain-tànana tsara ny ezaka raha ny salan’isa rehetra no jerena. Ahitana mpitsara roa sy mpirakidraharaha 12 ny ao amin’ny Fampanoavana. Roa kosa no ao amin’ny mpamoaka adidy eo anivon’ity fitsarana ity.

Ady amin’ny kolikoly : 14 no tratehaka

Tao anatin’ny ady amin’ny kolikoly izay notanterahina nandritra iny taona 2022 iny dia fantatra fa olona 14 no tratra ambodiomby sy niaiky ny helony ary voasazy. Izany no tontosa dia noho ny asa nataon’ireo mpijirika. Mbola manjaka tokoa ny asan’ny kolikoly eto Madagasikara, ary saika ahitana izany avokoa ny sehatra rehetra, eny na ny eny amin’ny fiarahamonina ihany koa aza.Izany indrindra no tokony hisian’ny fanentanana eny anivon’ny sokajim-piaraha-monina rehetra.

Asa maro no tontosa

Ankoatra ny ady amin’ny kolikoly dia hita taratra fa nahitana vokatra tsara avokoa ny asa rehetra notanterahina teo anivon’ny fitsarana. Maherin’ny 60% avokoa ny salan’isa fahavitan’ireo asa rehetra natao ny 2022. Maro ihany koa ireo karazan’asa nahitana salan’isa 80% ny fahavitany ary nisy ary no nahazoana vokatra 100% mihitsy.
Ho an’ny tahan’ny voaheloka/voapanga (ratio condamnés/prévenus) kosa dia 74,09% / 25,91% izany. Azo lazaina fa tratra ny tanjona izay napetraky ny ministeran’ny FItsarana izay nametraka ny taha ho 70% / 30%. “Hitohy ny ezaka ary mbola ho hatsaraina ireo salan’isa ireo amin’ity taona 2023 ity”, hoy ny eo anivon’ny ministera.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo