• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Flair
Image
Sexualité & Mariage

Micro-trottoir : Ireo fahatsiarovana mahatsikaiky tamin’ny nampiaraka voalohany

13/03/2023 10:20 © Moov.Mg

Toa ny nofinofy izany fampiarahana voalohany izany, indrindra moa rehefa manam-bady aman-janaka. Andeha ifampizarana ireo tantara kely nanamarika, nampiomehy na nahasosotra, tamin’ny nanao sipa voalohany, indrindra moa tamin’ny premier rendez-vous.

Bonaika

Tamin'izaho classe de troisième no nisipa tamin'ny vehivavy hanala bac. Nampiaraka izay ka naka toerana mangingina sady tsy be mpandalo. Nisy vola vy roa teny an-tanany, ka hoy izy hoe 'ndao samy hanafina ny volany dia avy eo mifampisava. Ny ahy nafeniko tanaty paosy nefa ny azy tanaty pataloha. Tsy nety nisava aho avy eo fa menatra. Taty aoriana aho vao tonga saina hoe hay tena resaka lalina no nandrasan'ilay sipa tamiko. Tena mbola bonaika be aho tamin'izany. (Eric, 28 taona)

Taitra be

Vao nanoroka vehivavy voalohany dia taitra i kotokely. Tsy hita izay natao satria tsy afaka notolomina ilay zanak'olona. Loza nefa fa short somary nylon ireny no nanaovana. Nanomboka teo dia mailo be rehefa hifanao fotoana amin'ny vehivavy. Tsy nety nanao pataloha na short somary malaladalaka ireny intsony aho nanomboka teo. (Mahery, 35 taona)

Tratran'i dada

Tsaroako tsara tamin'ny nampiaraka voalohany dia nindrana casquetten'ilay tovolahy, mba tsy hisy hahafantatra eny an-dalana. Kinanjo moa naheno feo niantso ny anarako avy ao aoriana aho : hay dadanay ! Bedy aho tonga tany an-trano. Hoy i dada hoe "iza moa no namela anao hanao sipa"? Tsy nahita avaly aho satria mbola tsy nisy resaka matotra ny taminay (Mialy, 20 taona)

Toto-kena

Tratran'ny surveillant niafina tao ambadiky ny trano fianarana izahay. Tsy nibedy izy saingy ny sazy nomeny anay dia ny nifanoroka teo imason'ny mpiara-mianatra rehetra. Tonga taty am-bavako ny poti-kanina tany ambavan'ny sipako, ka fantatro tamin'izay fa toto-kena no laokany atoandro. Tsy nisy nahateny moa fa ny henatra no betsaka. (Fano, 30 taona)

Tapaka sy namana

Efa mpianatry ny oniversite vao sahy nanao sipa. Ny bourse kely teo an-tanana no nangonina nanomanana fatratra ilay rendez-vous voalohany. Loza fa hay sipa be haingitraingitra sy efa zatr'ady. Nanonona anarana hôtel-restaurant iray izy ka tena tsy sahy aho. Mody nampanenoiko ny reveil tamin'ny findaiko. Nambarako azy tamin'izany fa misy raharaha maika ilàna ahy any an-trano. (Matt, 34 taona)

Fitiavan-jaza

Nisy tovolahy nanintona ahy teo ampitan'ny tranonay. Niaraka izahay rehefa ela ny ela. Isaky ny manary fako amin'ny hariva ihany izahay no manana fotoana 15 minitra iarahana. Niafina satria samy tsy ampy taona. Mangalatra bisous kely eo am-bavahady dia izay. Tsy naharitra ny fiarahana satria nifindra trano izahay. (Mendrika, 27 taona)

Diso kajy

Efa 18 ans mihitsy vao nanao sipa fa natahotra mafy an'i dada. 2ème année teny Ankatso tamin'izany. Nisy bandy bogosy be nanadala ahy tao amin'ny facebook. Nojereko tsara ny profil sy ny sary rehetra dia hoe tena hoe "bandy tafa". Faly ery nahazo invitation ka nanao metimety. Lany vola mihoatra ny 50.000 ar nanaovana volo sady nividianana jean vaovao. Loza nefa fa vao tazana lavitra ranamana dia nahakivy tanteraka. Mody nantsoiko hoe tara kely aho fa mba andraso eo amin'ilay sezan'ny arrêt bus, mba andinihako tsara azy. Hay ity ranamana manao kiraro mi-décolle sady manao tee-shirt efa lozitra. Naleoko nandeha fa tena tsy nety tamiko. (Maria, 24 taona)

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo