• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Gérer Mon Ado
Image
Sexualité & Mariage

Ankizy be famaliana : ahoana ny fitaizana tokony atao ?

01/03/2023 13:40 © Moov.Mg

Miditra amin’ny fotoana miala sakana ny ankizy manomboka amin’ny faha 12 taonany. Miova ny toe-batany ary miova manarak’izany ihany koa ny toetra sy ny fisainany. Lasa tsy tia fehezina sy masahy mamalivaly. Ahoana ary ny fitaizana tokony atao amin’ny ankizy be famaliana ?

Mila fitoniana ny fitaizana ankizy be famaliana

Voajanahary ao amin’ny ankizy miala sakana ny toetra tia mitroatra sy tia mamalivaly. Mila fantatsika ary ekentsika raiamandreny izany toe-javatra izany. Ho mora kokoa ho antsika ny hanana fitoniana amin’ny fitaizana ny ankizy be famaliana. Ialana ny mivatravatra fihetsika na fiteny rehefa mibedy ny zanatsika miala sakana. Ezahina mandrakariva ny miresaka am-pitoniana sy tsy miaka-peo. Azavaina azy hatrany ny ilàna ny mihaino sy mankato ny tenin’ny raiamandreny. Atao toy ny miresaka amin’ny olon-dehibe ny firesahana aminy mba ahatsapany fa tsy mandray azy ho zaza intsony isika.

Mila fanabeazana miabo ny ankizy be famaliana

Mahomby kokoa amin’ny fitaizana ankizy be famaliana ny fanabeazana miabo. Mifantoka indrindra amin’ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana ity fomba fanabeazana ity. Ilain’ny zatovo ny fihainoana ny fihetsem-pony, ny hetahetany sy ny zavatra ao an-tsainy. Noho izany, mila manana faharetana hatrany isika raiamandreny. Ao anatin’ny fanabeazana miabo ihany koa ny mandoka sy mamporisika ny zanantsika amin’ny zavatra tsara ataony. Tsy hoe rehefa manao tsy mety ihany izy vao tenenina na resahina. Ho mora ho azy kokoa ny anantona antsika na hiaino antsika rehefa zatra mifampiresaka aminy isika.

Mila fahaizana mandajalanja ny fifehezana ny zatovo

Ny fitoniana sy ny fifampiresahana amin’ny zanaka be famaliana akory tsy midika hoe arahina am-bokony izay ataony. Mila fehezina ny ankizy miala sakana. Rehefa hita fa mitady hihoatra ny fefy ny toetrany na ny fombany dia mila bedesina sy faizina izy. Fanaon’ny raiamandreny malagasy ny mikapoka ny ankizy be famaliana sy sokajiana ho maditra. Hoy ny ntaolo hoe « ny zanaka tiana tsy itsitiana rantsan-kazo ». Mila fahaizana mandanjalanja anefa ny famaizana ny zanaka, indrindra ireo izay miala sakana. Tsy tokony atao intsony ny mikapoka satria mety ampirisika ny zatovo ho lasa tia miady sy tia fifamaliana izany fihetsika mifono erisetra izany. Rehafa miha lehibe ny zanaka, eny na ny ankizy be famaliana aza, ny fananarana sy ny fampiharana sazy no mahomby kokoa amin’ny fitaizana azy ireny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo