• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

7 febroary 2023 : Fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana lavo nandritra ny tolona

07/02/2023 10:43 © Moov.Mg

7 febroary 2009 - 7 febroary 2023: Notsiahivina manokana anio ireo mpiara-mitolona sy mpiray Tanindrazana lavo noho ny fijoroana ho an'ny fitiavan-tanindrazana.

Nomarihina tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato manoloana ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra izany, izay notarihin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
"Andro tsy azo adinoina ary mibaiko ny fitiavan-tanindrazana misy eo amintsika tsirairay avy sy ny adidy ho entina hampandroso ity firenena ity ny andro anio.Tsy ho raraka an-tany ny aina nafoy teto, ary na maro aza ny sakana dia miroso isika manohy ny asa tokony hatao hampandroso an'i Madagasikara." hoy ny Filoha Andry Rajoelina.

Niantso ireo tompon’andraikitra na olom-boafidy na olom-boatendry ihany koa ny Filoha mba tsy hanaiky ho saratsarahana mba fa hatambatry ny fitiavan-tanindrazana ary hijoro hatrany hampandroso ny firenena. "Rehefa miray hina isika dia tsy maintsy mandresy. Ho resintsika ny fahatrana, ho resintsika ny fahavalo" hoy hatrany ny Filoha.

Tsy adinon'ny Filoha Andry Rajoelina ihany koa ny nitondra ny teny fankaherezana ho an'ireo nitondra takaitra sy ireo namohy havana. "Tsy irery ianareo fa mifanohana mandrakariva isika" hoy hatrany ny Filoha.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo