• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Notairemontréal.Jpg
Image
Sexualité & Mariage

Revirevy tonga tena fitia : Tongasoa an-dapa ry mpanjakavavy, antsika ny tanàna ...

02/02/2023 17:06 © Moov.Mg

Tsy maintsy tongako any ianao fa efa izay no tanjoko ... Io ampahan-tononkira io no niverberina tato an-tsaiko vao nahita azy voalohany. Marina moa raha mba nahatan-damba vao nahita ity hakantony... Izy tokoa angamba no gitara voajanahary ?

Tafalatsaka tamin'ny hakantony ...

Mba lehilahy lehibe ihany ny tena fa niverina toy ny zazakely nahita mofo raha vao nahita azy. Vehivavy somary zarazara hoditra, tso-bolo, baribary maso no nandray ahy tao amin'ny banky iray ... Tsara vatana tokoa .... Latsaka ilay kitapo fisaka tety an-tanako, nipitika lavitra tery ilay penina saika anaovako sonia ilay taratasy natolony ... Tsy nisy henoko akory izay teny nolazainy fa nekeko fotsiny. Variana nandinika azy aho tsinona. Taitra aho raha nilazany hoe "misaotra tompoko, veloma".
Voatery nivoaka aho satria vita ny anjarako. Toa adinoko hatramin'ny asako. Novelomiko ny fiara ka lasa aho, saingy nijanona tany amin'ilay tovovavy tsara tarehy foana ny saiko. Ny hany hevitra hitako ? Niandry ny firavany ny hariva. Nivoaka aloha mihitsy aho sao dify ilay malalako, ilay tsy nampitombin-tsiraka ahy nandritra ny ora maro. Maro tokoa ireo fanontaniana nankarary ny lohako : raha misy mitsena izy ? raha tsy mety miresaka amiko izy ? Inona no hoteneniko voalohany ? ... Saingy tsy afa-nihemotra intsony aho sao mba hitsiky amiko ihany ny vintana.
"Amin'ny enina ora hariva izao. Ireny fa mivoaka daholo ny mpiasa andeha hamonjy fodiana. Iny fa nivoaka ilay nambabo ny foko. Somary niafina ny tarehiny satria avy ny orana ka narovany mafy ny volony mba tsy ho lena. Tsy hitako izay natao ka nosakanako ny lalany ... Taitra mafy izy fa noheveriny fa mpanendaka angamba aho ... Saingy tsy naharitra ela ilay tahotra teny amin'ny tavany dia nivadika ho tsiky. Tsy nampoiziko ho mora resahina ilay tovovavy. Niezaka nanazava taminy moa aho fa tena nanintona ahy loatra izy ka tsy namelako raha tsy hitako indray."
Nanaiky ny fanasako izy ka niaraka nihinana lasopy mafana tamin'ny toerana mihaja iray izahay. Teo vao niezaka nifankafantatra, ary soa ihany, fa mbola mpitovo ny tovovavy. Saika tsy tapitra iny andro iny lahy ... Faly aho satria nanaiky nanome ahy ny laharana findainy ilay tovovavy.

Tafalatsaka anatin'ny akanjony ...

Tamin'iny alina iny, tsy natory aho fa variana nanofinofy ny hitolona iny tovovavy iny. Vita sary ato an-tsaiko ilay molony mena manifinify sy ny tsikitsiky mandrendrika ny foko. Tsy adinoko ihany koa ilay tanany malefaka sy voakarakara ery. Hoy aho an-tsaiko ao hoe tena ho sambatra leitsy ialahy raha voasafony.
Nifanao fotoana matetika, niara-nisakafo, niara-niala voly, ... Tsy nanapaka fifandraisana intsony izahay. Indray hariva, tao anaty fiara, toa nafana be ny vatako. Somary nahery fihetsika aho nanoroka sy namihina azy, dia hoy aho nibitsika taminy hoe "tsy aritro intsony". Eny, tena tsy aritro intsony ny vatany. Tafalatsaka tanaty atin'akanjony ny tanako. Tamin'iny hariva iny, tsy navelako nody izy raha tsy nianoka ny mamy indrindra teny aminy aho. Nanofa hotely iray somary mihataka ny renivohitra izahay. Ny tena tsy nampoiziko ? Hay izy efa ela no niandry izany fotoana mamy indrindra izany.
Koa satria tsy ny hanararoatra azy ny tanjoko, dia nakariko ho vady izy tamin'ny faha-herintaonan'ny nihaonanay. Eny, mety aloha loatra angamba, saingy tsy azoko sary an-tsaina akory ny hanohy ny fiainako lavitra azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo