• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Metfp
Image
Asa & Fianarana

INPF Ivato : Toeram-panofanana ho teknisianina ambony, ahitana ny sokajy "Mécanique automobile"

16/01/2023 20:16 © Moov.Mg

Hatramin'ny taona 2021 dia miisa 464 ny mpiofana nivoaka teo anivon'ny INPF. Toeram-panofanana manana ny lazany ary eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'Asa ny INPF eo Ivato. Ny taona 1974 no nijorony ary natao hampivoarana ny lafiny ekonomika sy sosialy amin'ny alalan'ny fanofanana arak'asa ho an'ny tanora, ho an'ireo efa am-perinasa fa indrindra ho an'ny orinasa.

Mizara roa mazava ny karazam-piofanana eo anivon'ny INPF ka toy izao manaraka izao:
Fanofanana teknisianina ambony (Formation de Technicien Supérieur FTS)
Maharitra roa taona ny fianarana ary ahitana sampam-panofanana enina:
• Mécanique automobile
• Électronique et informatique industrielle
• Finances et comptabilité
• Génie Mécanique et Maintenance Industrielle
• Électrotechnique
• Génie Frigorifique
Mila manana diplaoma Bakalorea ny mpiofana ary miatrika fifaninana hidirana ao amin'ny INPF.

Fanofanana arak'Asa mitohy ( Formation Professionnelle Continue)
Mizara roa, ka misy ny Diplôme de Formation Professionnelle Spécialisée (DFPS) mitovy sokajy amin'ny Bakalorea ary ahitana ny Mécanique Automobile sy ny Transit et Commerce international.
Ny Diplôme de Formation Professionnelle (DFP) mitovy sokajy amin'ny bac+2 kosa dia ahitana ny Mécanique Automobile, ny Électricité d'équipements industriels, Froid et climatisation.
Tsara ny manamarika fa ny Fanofanana arak'Asa mitohy dia mizara ho "module" ary samy manana ny faharetany sy ny sarany avy.

Ankehitriny efa miparitaka amina renivohi-paritany roa ny INPF dia Fianarantsoa sy Toamasina ka ho an'ny Fianarantsoa dia manomboka ny 16 janoary ny fanofanana.

Antom-pisian'ny INPF ny fampananan'asa, ny fanatsarana ny fahaiza-manaon'ireo efa misehatra eo amin'ny asa, mampiroborobo ireo orinasa madinika sy salantsalany, manampy ny tanora sy ireo izay te hisitraka fiofanana mipàka amina asa.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo