Fahasalamana : Ireo aretina mety mahatonga ny hodi-maso hivonto rehefa mifoha
Maro ny olona mahatsikaritra fa mivonto kely ny hodi-maso rehefa mifoha maraina. Matetika dia mety mahatonga ny tarehy ho toa mivonto ny fiandronan’ny « liquide » manodidina ny maso mandritra ny torimaso. Raha toa nefa ka lehibe loatra ilay fivontosana, miverimberina matetika na miaraka amin’ny soritr’aretina hafa dia mety misy olana ara-pahasalamana ao ambadik’izany. Ireto manaraka ireto ny aretina mety mahatonga ny hodi-maso hivonto rehefa mifoha maraina.
Ny « allergie » na tsy fahazakana zavatra sasany
Anisan’ny antony fahita mahatonga ny hodi-maso hivonto ny « allergie ». Mety izany ho vokatry ny tsy fahazakana vovoka, bibikely madinika ao anaty kidoro sy lamba firakotra (acariens), vovobony, volon’ny biby na ny vokatra fikarakarana tarehy ampiasaina manodidina ny maso.
Matetika io fivontosana manodidina ny maso io dia miaraka amin’ny hidihidy, mena maso, ranomaso na mievina matetika. Raha toa ka ilay vao mifoha maraina iny no tena miseho ireo soritr’aretina ireo dia ho avy amin’ny « acariens » ao anaty fandriana no mahatonga azy.
Ny « conjonctivite »
Ny « conjonctivite », izany hoe ny fivontosana (inflammation) na fahasosoran’ny (irritation) hoditra manarona ny faritra fotsy amin’ny maso, dia mety hahatonga ny hodi-maso hivonto ihany koa rehefa mifoha maraina. Mety izy io ho vokatry ny viriosy, bakteria na « allergie » ihany koa.
Miankina amin’ny antony ny soritr’aretina hafa mety mitranga, toy ny hoe mena ny maso, mangidihidy, misy ranomaso be na tai-maso miraikitra amin’ny hodi-maso rehefa mifoha. Raha avy amin’ny bakteria ny « conjonctivite » dia mety hisy tsiranoka matevina miloko mavo na maitso mivoaka.
Ny takodimena
Ny takodimena dia fivontosana (inflammation) madinika vokatry ny aretina eo amin’ny fototry ny volomaso na ny « glande » ao amin’ny hodi-maso.
Matetika dia misy vongana kely mena sy marary eo amin’ny sisin’ny hodi-maso. Mety hivonto bebe kokoa ny faritra manodidina azy rehefa mifoha. Amin’ny ankamaroan’ny tranga dia sitrana tsikelikely ao anatin’ny andro vitsivitsy izy io.
Ny « sinusite »
Ny « sinusite » ihany koa dia mety hahatonga ny faritra manodidina ny maso ho tsapa mavesatra na mivonto. Matetika izy io dia miaraka amin’ny fahatsentsenan’ny orona, aretin’andoha ary fanaintainana na tsindry eo amin’ny tarehy.
Mety ho tsikaritra kokoa ny fivontosana manodidina ny maso rehefa maraina, indrindra noho ny fiandronan’ny tsiranoka ao aminy mandritra ny alina.
Ny aretin’ny voa
Amin’ny tranga sasany dia mety hifandray amin’ny aretin’ny voa ny fivontosan’ny hodi-maso, indrindra rehefa maraina. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fandrindrana ny rano sy ny sira ao amin’ny vatana mantsy ny voa.
Raha misy olana amin’ny fiasan’ny voa, dia mety hiangona ao amin’ny vatana ny « liquide » ka hiteraka fivontosana, indrindra eo amin’ny manodidina ny maso. Mety hivonto ihany koa ny kitrokely na ny tongotra.
Raha maharitra ny fivontosana ary miaraka amin’ny soritr’aretina toy ny fiovan’ny habetsahana na ny endriky ny pipy, havizanana be na fitomboan’ny lanja tampoka, dia tokony hanatona mpitsabo.
Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?
Raha mivonto kely indraindray fotsiny ny hodi-maso ary tsy misy soritr’aretina hafa dia tsy dia misy mampanahy izany matetika. Tokony hanatona mpitsabo kosa raha toa ka :
-miverimberina matetika na maharitra andro maromaro ny fivontosana;
-maso iray ihany no mivonto ary mihamafy izany;
-misy fanaintainana mafy;
-miova na mihena ny fahitana;
-mena be ny maso ;
-misy tazo ;
-miaraka amin’ny fivontosana amin’ny tarehy, tongotra na faritra hafa amin’ny vatana;
-mipoitra tampoka miaraka amin’ny fivontosan’ny molotra na ny lela ary fahasarotana amin’ny fifohana rivotra.
Raha mivonto tampoka ny tarehy, molotra na lela ary sarotra miaina, dia mety ho « réactions » mahery vaika vokatry ny « allergie » izany. Toe-javatra mila fitsaboana maika izy io, ka tokony hitady vonjy ara-pahasalamana avy hatrany.




