Famantarana tsy fahampian-drano na « déshydratation » amin’ny beantitra
Olana fahita eo amin’ny beantitra ny tsy fahampian-drano na « déshydratation », nefa mety tsy ho tsikaritra avy hatrany. Rehefa mihantitra tokoa mantsy dia mety hihena ny fahatsapana hetaheta, etsy andaniny, misy fanafody na aretina sasany mety hampitombo ny fahaverezan’ny rano ao amin’ny vatana. Ny tsy fahampian-drano nefa dia mety hiteraka havizanana, fahasarotana mifantoka ary fahasarotana ara-pahasalamana lehibe kokoa.
Inona no mahatonga ny beantitra ho mora tratran’ny tsy fahampian-drano ?
Rehefa mihantitra dia mety tsy hahavita hifehy tsara ny fifandanjan’ny rano ao amin’ny vatana intsony ny vatana. Mety hihena ihany koa ny fahatsapana hetaheta. Noho izany, mety tsy hahatsapa mangetaheta ny olona iray na dia efa manomboka tsy ampy rano aza ny vatany.
Mety hampitombo ny fahaverazan-drano eo amin’ny beantitra ihany koa ny fihinanana fanafody sasany, indrindra ireo mampitombo ny fivoahan’ny pipy. Eo ihany koa ny anton-javatra hafa toy ny tazo, ny fivalanana, ny fandoavana na ny hafanana be.
Ireo famantarana voalohany tokony hojerena
Raha tratry ny « déshydration » na tsy fahampian-drano ny beantitra na ny olona be taona dia mety hiseho tsikelikely ireto soritr’aretina ireto :
-Fahamainana be amin’ny molotra na ny vava ;
-Havizanana na fahalemena tsy mahazatra ;
-Aretin’andoha ;
-fanina, indrindra rehefa mitsangana ;
-fihenan’ny habetsahan’ny pipy na lasa matroka kokoa noho ny mahazatra ny pipy ;
-hoditra maina kokoa;
-fahatsapana hetaheta, na dia mety tsy hanana io fahatsapana io aza ny beantitra rehetra.
Tokony hojerena manokana ny fihenan’ny habetsahan’ny pipy, satria mety ho famantarana lehibe amin’ny tsy fahampian-drano izany.
Mety ho famantarana ihany koa ny fisavorovoroan-tsaina
Mety hiseho amin’ny alalan’ny fiovan’ny fitondran-tena ny tsy fahampian-drano eo amin’ny olona beantritra. Mety hisy fisavorovoroan-tsaina, tsy fahafantarana tsara ny toerana na ny fotoana, torimaso tafahoatra na fahasarotana mifantoka.
Tsy tokony hoheverina ho vokatry ny fahanterana fotsiny ihany ireo fiovana ireo. Raha misy fiovana tampoka eo amin’ny fahatsiarovan-tena na ny fitondran-tenan’ny olona be taona dia tsara hatrany ny manatona mpitsabo. Maro ny antony mety mahatoga izany ka anisan’izany ny tsy fahampian-drano.
Fanina sy mety hianjera
Ny tsy fahampian-drano dia mety hampidina ny tosidra, indrindra rehefa mitsangana tampoka avy eo am-pandriana na raha avy nipetraka. Izany dia mety hitarika fahatsapana fanina, fahalemena na tsy fahavitana mandeha amin’ny olona iray. Amin’ny olona be taona na beantitra dia mety hampitombo ny « risques » hianjerana sy haratra izany.
Inona avy ireo famantarana mampiseho fa efa mafy ny tsy fahampian-drano?
Raha mafy ny tsy fahampian-drano dia mety hitarika fahalemena be, fisavorovoroan-tsaina mafy, torimaso tafahoatra, fitempon’ny fo haingana na ny fihenana be eo amin’ny habetsahan’ny pipy.
Raha tena verivery saina, sarotra fohazina, tsy afaka misotro na miharatsy haingana ny toe-pahasalaman’ilay olona, dia tokony hitadiavana fitsaboana haingana satria ny fahampian-drano mafy dia mety mitaky fitsaboana maika.




