Mony vokatry ny fikorontanan’ny hormonina : inona no vahaolana natoraly ?
Anisan’ireo anton-javatra mety mampisy mony ny fikorontanan’ny hormonina. Mandritra ny fahatanorana, alohan’ny fadimbolana, aorian’ny fanajanonana fanabeazana aizana misy hormonina, na rehefa be adin-tsaina no fotoana tena hitrangan’izany. Matetika ireo mony ireo no miseho amin’ny endrika mony mivonto, indraindray lalina sy maharary, ary eo amin’ny tapany ambany amin’ny tarehy, ny saoka, ny valanorano ary ny vozona no tena misy azy. Anisan’ny fomba natoraly azo hiadiana amin’izy ireny ny fifehezana ny famokarana « sébum » be loatra. Araho eto ny santionany amin’izany.
Mihinana sakafo voalanjalanja
Afaka manampy betsaka amin’ny fikarakarana ny hoditra ny fahazarana misakafo ara-pahasalamana na dia tsy ampy irery hanasitranana ny mony vokatry ny hormonina aza izany. Ny sakafo isan-karazany ahitana legioma, voankazo, voamaina, trondro, voanjo ary voa no tena atao laharam-pahamehana. Ireo sakafo ireo dia manome fibra, vitamina, mineraly ary tavy mahasoa ilain’ny vatana.
Mety hahasoa ihany koa ny mametra ny fihinanana sakafo mampiakatra haingana ny tahan’ny siramamy ao amin’ny rà, toy ny zava-pisotro mamy, vatomamy, mofomamy ary sakafo vita amin’ny lafarinina. Amin’ny olona sasany, ny fihinanana betsaka ireo sakafo ireo dia mety hisy ifandraisany amin’ny firongatry ny mony.
Ankoatra izay dia misy ihany koa ireo fikarohana maneho ny fifandraisan’ny vokatra avy amin’ny ronono amin’ny fipoitran’ny mony vokatry ny fikorontanan’ny hormonina. Tsy midika anefa izany fa tokony hajanona avy hatrany ny vokatra avy amin’ny ronono. Tsara ihany nefa ny mandinika raha misy fiantraikany amin’ny tena manokana izy io ary manatona mpitsabo raha ilaina.
Manao fikarakarana hoditra malefaka
Rehefa be menaka na mora misy mony ny hoditra dia mety halaim-panahy isika hampiasa matetika ireo vokatra fanadiovana tarehy isan-karazany, toy ireo « lotion nettoyante », « eau micellaire »… Ny fanadiovana tafahoatra ny hodi-tava nefa dia mety hitarika « irritation » sy hanimba ny sosona fiarovana voajanahary ao aminy.
Tsara kokoa raha indroa isan’andro, maraina sy hariva, ihany no manasa ny tarehy. Vokatra fanadiovana malefaka no ampiasaina avy eo osorana « crème hydratante » izay manamandina ny hoditra nefa tsy manentsina ny mason-koditra.
Fadiana arak’izay azo atao ny « gommage » misy poti-javatra maranitra, ny « lotion » misy alikaola be ary ny fanasana tarehy imbetsaka isan’andro. Matetika, ny fikarakarana tsotra nefa atao tsy tapaka no tsara kokoa noho ny fampiasana vokatra maro samihafa.
Fehezina ny adin-tsaina
Tsy voatery ho avy amin’ny adin-tsaina irery no mahatonga ny mony, saingy mety hampitombo ireto farany izany amin’ny olona sasany. Mety misy fiantraikany amin’ny fifandanjan’ny hormonina ny adin-tsaina ka handrisika fahazarana sasany mety hanimba ny hoditra, toy ny tsy fahampian-torimaso na fikasihana matetika ny tarehy.
Afaka manampy amin’ny fampitoniana sy fifehezana ny adin-tsaina isan’andro ny hetsika tsotra toy ny mandeha an-tongotra, manao fanatanjahantena, manao yoga na maka fotoana hialana sasatra. Tsy ny fananana hoditra tonga lafatra no tanjona, fa ny fikarakarana ny fahasalamana sy ny fifandanjan’ny vatana amin’ny ankapobeny.
Omena lanja ny torimaso
Manampy amin’ny fiasan’ny vatana sy ny fanarenana ny hoditra ny torimaso. Noho izany, anisan’ny fikarakarana ankapobeny mila hajaina ny fahazoana torimaso ampy sy ny fananana ora fatoriana milamina.
Raha azo atao, dia tsara raha miezaka mitazona ora fatoriana sy ora fifohazana mitovitovy isan’andro. Ahena ny fampiasana efijery na finday alohan’ny hatory.
Tsy mikendry ny hanafoana tanteraka ny « sébum »
Manana anjara asa lehibe ao amin’ny hoditra ny « sébum » : manampy amin’ny fiarovana sy fitazonana ny fahalemilemen’ny hoditra izy. Miseho kosa ny olana raha be loatra ny « sébum » vokarin’ny vatana na rehefa mifangaro amin’ny sela maty izy io ka manentsina ny mason-koditra.
Noho izany, ny tanjona dia ny hampifandanja ny hoditra fa tsy ny hampamaina azy tanteraka. Ny hoditra voafafa na voadio amin’ny vokatra mahery loatra dia mety ho mora « irritée », ho mena ary ho mora tohina kokoa.
Rahoviana no tokony manatona mpitsabo?
Raha maharitra, tena mivonto na maharary ny mony, dia tsara ny manatona mpitsabo. Tokony hijery mpitsabo ihany koa raha mamela holatra na tasy maharitra ny mony, na raha tampoka no isehoan’ny mony eo amin’ny olon-dehibe ary misy soritr’aretina hafa mifandraika amin’ny hormonina.
Afaka mamantatra ny antony marina mahatonga ny mony ny « dermatologue » ary manoro fitsaboana mifanaraka amin’ny toe-pahasalamana.




