Aretim-bavony miverimberina: inona avy no mety ho antony ?
Tsy tokony atao tsirambina ny fanaintainan’ny vavony miverimberina. Mety ho ara-dalàna ny fahatsapana indray mandeha hoe mavesatra na manaintaina ny vavony rehefa avy nisakafo be loatra. Raha miverimberina kosa io fanaintainana io dia mety manondro olana ara-pasalamana mila fitiliana sy fitsaboana manokana. Inona avy àry ireo antony mety mahatonga ny fanaintainan’ny vavony miverimberina ary oviana no tokony hanatona mpitsabo ?
Ahoana ny fisehon’ny aretim-bavony miverimberina ?
Ny aretim-bavony miverimberina dia ny fanaintainana na fahasosorana ao amin’ny vavony izay miseho imbetsaka mandritra ny herinandro na volana maromaro. Mety hiseho amin’ny fahatsapana mavaivay, misy krampy na mavesatra ao amin’ny vavony izy io. Indraindray mety ho fahatsapanana manaintaina mafy eo amin’ny faritra ambonin’ny kibo. Mety hiseho alohan'ny hisakafoanana, aorian'ny sakafo, na indraindray tsy misy antony mazava moa io fanaintainan’ny vavony miverimberina io.
Anisan’ny antony lehibe mety mahatonga ny aretim-bavony miverimberina ny :
« Gastrite »
Ny "gastrite" dia fivontosana na fahasosoran'ny sosona anatiny mandrakotra ny vavony. Mety izy io vokatry ny otrikaretina « Helicobacter pylori »; fisotroana toaka tafahoatra; fifohana sigara; fihinanana fanafody manohitra ny fivontosana (anti-inflammatoires) matetika; adin-tsaina maharitra. Anisan'ny soritr'aretina ny fanaintainana toy ny mavaivay, maloiloy, fahasarotan'ny fandevonan-kanina ary indraindray mandoa.
Fery ao amin'ny vavony (ulcère gastrique)
Ny « ulcère gastrique » dia fery miseho eo amin'ny sosona anatiny amin'ny vavony. Matetika izy io no mahatonga ny fanaintainana miverimberina ao amin’ny vavony izay mety mihena na mihamafy rehefa avy misakafo. Raha tsy tsaboina izy io dia mety hampandeha rà ao amin'ny lalan-kanina.
« Reflux gastro-œsophagien » (RGO)
Rehefa miakatra matetika any amin'ny lalankanina ny asidra avy ao amin'ny vavony dia mety hiteraka fanaintainana eo amin'ny vavony na ao ambadiky ny tratra. Anisan’ny soritr'aretina mahazatra ny fahatsapana mavaivay ao amin’ny tratra na vavony ; tsiro marikivy ao am-bava ; fiakaran'ny sakafo na asidra; kohaka amin'ny alina.
Adin-tsaina sy tebiteby
Misy fifandraisana akaiky eo amin'ny atidoha sy ny rafi-pandevonan-kanina. Noho izany dia mety hampitombo ny famokaran'ny asidra ao amin'ny vavony sy hampiadana ny fandevonan-kanina ny adin-tsaina maharitra. Betsaka ny olona no mahatsikaritra fa miverina ny fanaintainan’ny vavony rehefa mandalo fotoan-tsarotra na reraka.
Tsy fahazakana sakafo sasany
Misy olona mahatsapa manaintaina ny vavony rehefa avy mihinana sakafo sasany, toy ny ronono (tsy fahazakana « lactose »); « gluten » ; sakafo tena be menaka. Afaka manampy amin’ny fanalefahana sy fisorohana io fanaintainan’ny vavony miverimberina io ny fahafantarana ireo sakafo mampiteraka ny soritr'aretina.
« Dyspepsie fonctionnelle »
Eo amin’ny olona sasany dia ara-dalàna avokoa ny valin’ny fitiliana natao ary tsy nahitana aretina manazava ny fanaintainan’ny vavony miverimberina. Antsoina hoe « dyspepsie fonctionnelle » izany. Ity farany dia miseho amin’ny fahatsapana mora voky rehefa misakafo, manaintaina ny vavony rehefa avy misakafo, misy « ballonnements », miadana ny fandevonan-kanina.
Aretina hafa mety mahatonga izany
Amin'ny tranga sasany, ny fanaintainan'ny vavony miverimberina dia mety avy amin'ny:
-vato ao amin'ny tatavia fitahirizana afero (vésicule biliaire);
-aretin'ny sarakaty (pancréatite);
-areti-mitaiza ao amin’ny tsinay;
-aretin'ny aty;
-homamiadan'ny vavony (amin'ny tranga vitsy).
Izany no mahatonga ny fanatonana dokotera ho zava-dehibe rehefa tsy mety misinda ny fanaintainana.
Soritr'aretina tokony hampanahy
Tokony hanatona dokotera haingana raha miaraka amin'ireto soritr'aretina ireto ny fanaintainan'ny vavony:
-mandoa rà;
-fivalanana mainty na misy rà;
-mihena lanja tsy fantatra antony;
-sarotra mitelina;
-tazo maharitra;
-fanaintainana tena mafy;
-havizanana mafy na tsy fahampian-drà;
-fanaintainana mamoha amin'ny alina.
Mety manondro aretina mila fitsaboana maika ireo famantarana ireo.




