Inona no mahatonga ny lehilahy sasany miha be kibo rehefa mandroso taona ?
Maro ny lehilahy mahatsikaritra fa miova ny bikan’ny vatany rehefa mandro ny taona na dia tsy niova firy aza ny fahazarana ara-tsakafony. Miha be kibo, tery kokoa ny pataloha eo amin’ny andilana ary lasa sarotra kokoa ny mampihena tena. Toe-javatra mahazatra izy io vokatry ny fiovana voajanahary ateraky ny fahanterana sy ny fomba fiaina. Araho eto ny andinindininy tsara fantatra.
Mihena tsikelikely ny hozatra rehefa mandroso ny taona
Mihena tsikelikely ny hozatra ao amin’ny vatan’ny lehilahy manomboka amin’ny faha-30 taonany eo ho eo, ka izay no antsoina hoe « sarcopénie ». Ny hozatra anefa dia mandoro angovo na dia miala sasatra aza ny vatana. Rehefa mihena izy ireo dia miadana kokoa ny fiasan’ny metabolisma ka mihena ny kaloria dorana isan’andro. Raha mbola mitovy ihany ny habetsahan’ny sakafo hohanina nefa mihena ny kaloria lanin’ny vatana, dia voatahiry ho tavy ny angovo be loatra, indrindra eo amin’ny faritry ny kibo.
Fiovan’ny hormonina
Rehefa mihantitra dia mihena tsikelikely ny tahan’ny « testostérone » amin’ny lehilahy maro. Io hormonina io dia manana anjara toerana lehibe amin’ny fitazonana ny hozatra sy ny fizaran’ny tavy ao amin’ny vatana. Ny fihenan’ny « testostérone » dia mety hiteraka:
-fitomboan’ny tavy eo amin’ny kibo;
-fihenan’ny hozatra;
-fihenan’ny hery sy ny tanjaka, izay mety hampihena ny fahazotoana hanao fanatanjahantena.
Miankina amin’ny olona tsirairay anefa ny hafainganan’ny fipoitran’ireo fiovana ireo.
Mihena ny fampihetsiketseham-batana
Noho ny asa, ny adidy ao an-tokantrano, ny fanaintainan’ny tonon-taolana na ny tsy fahampian’ny fotoana, dia maro ny lehilahy no lasa tsy dia mihetsika firy rehefa mandroso taona.
Ny tsy fahampian’ny fanatanjahantena sy ny fipetrapetrahana lava nefa dia mampitombo ny mety hitahirizan’ny vatana tavy eo amin’ny kibo, indrindra raha tsy miova ny fahazarana ara-tsakafo.
Tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny vatana intsony ny sakafo
Rehefa miadana ny metabolisma dia mihena ihany koa ny kaloria ilain’ny vatana. Ny metabolisma moa dia ny fitambaran'ny fihetsika simika rehetra ao anaty vatana izay manova ny sakafo ho angovo ilaina amin'ny fiainana. Misy nefa ny lehilahy sasany no mbola mihinana toy ny tamin’izy ireo mbola tanora ka izay no mahatonga ny fiangonan’ny tavy, indrindra eo amin’ny kibo. Mba hisorohana izany dia tsara raha ferana na fadiana ny sakafo mampitombo ny fitahirizan’ny vatana tavy, toy ny :
-sakafo voahodina be (aliments ultra-transformés);
-zava-pisotro mamy;
-zava-pisotro misy alikaola;
-hena voahodina;
-mofomamy sy sakafo be siramamy.
Rarintsaina sy tsy fahampian-torimaso
Ny rarintsaina maharitra dia mampitombo ny famokaran’ny vatana ny hormonina « cortisol », izay mety hampitombo ny fiandronan’ny tavy eo amin’ny kibo rehefa maharitra ela.
Toy izany ihany koa ny tsy fahampian-torimaso izay manakorontana ny hormonina mifehy ny hanoanana sy ny fahavokisana, ka mahatonga ny olona hihinana bebe kokoa sy hisafidy sakafo be kaloria.
Ny alikaola
Be kaloria ny zava-pisotro misy alikaola nefa tsy mahavoky firy. Ankoatra izay, mandany angovo hanalana ny alikaola ao anatiny aloha vatana vao mandoro ny tavy. Noho izany dia mety hiseho ilay antsoina hoe “kibon-dabiera”, na dia tsy ny labiera ihany aza no zava-pisotro misy alikaola mety hiteraka izany.
Tsy resaka endrika ivelany ihany ny fitomboan’ny kibo
Ny tavy be eo amin’ny kibo dia mety hampitombo ny mety hisian’ny:
-diabeta karazany faha-2;
-fiakaran’ny tosidrà;
-aretim-po sy lalandrà;
-kolesterola avo;
-fiangonan’ny tavy ao amin’ny aty (stéatose hépatique).
Noho izany dia zava-dehibe ny fanaraha-maso ny refin’ny andilana, indrindra rehefa miha mandroso taona, satria manome fampahalalana momba ny toe-pahasalamana ankapobeny izany.




