• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fialantsasatra : ireo fomba natoraly hikarakarana ny volo tratran’ny ranomasina

30/07/2026 14:38 © Moov.Mg

Anatin’ny vanim-potoanan’ny fialantsasatra lehibe isika izao. Maro ny misafidy mandeha any amorontsiraka mba hanararaotra ny andro mafana sy ny ranomasina. Na dia mahafinaritra sy mety mahasoa ny hoditra aza ny ranomasina dia mety hanimba ny volo izy io raha tsy voakarakara tsara ity farany. Ny sira anaty ranomasina, miaraka amin’ny hain’andro sy ny rivotra dia mahamaina sy mahavakivaky ny volo. Ireto manaraka ireto àry misy fomba natoraly hikarakarana ny volo tratran’ny ranomasina.

Lemana amin’ny rano madio ny volo alohan’ny hilomanosana anaty ranomasina

Alohan'ny hidirana ao anaty ranomasina dia tsara raha lemana amin'ny rano madio ny volo. Tsy mitroka rano masira firy ny volo raha toa ka efa lenan’ny rano madio. Fomba iray mbola vitsy mahafantatra nefa isan’ny tena mahomby hiarovana ny volo tsy ho simban’ny ranomasina izy io.

Mampiasa menaka zavamaniry hiarovana ny volo

Ny menaka zavamaniry sasany dia mamorona sosona manify izay miaro ny volo amin'ny sira. Osorana kely amin’ny halavan’ny volo sy ny tahony alohan’ny hilomanosana anaty ranomasina. Anisan’ireo menaka tsara ampiasaina ny :
-menaka voanio;
-menaka jojoba;
-menaka zavoka.
Ankoatra ny fiarovana amin'ny sira dia mamelona sy mampihena ny fahatapahan'ny volo ihany koa ireo menaka ireo.

Afatotra ny volo

Raha avela hisahondraondra ny volo dia mora misafotofoto sy miraikitra noho ny rivotra sy ny onja. Tsara kokoa raha fatorana na atao randrana malefaka ny volo alohan’ny hidirana anaty ranomasina mba hanamora ny fibangoana azy rehefa avy milomano.

Kobanina avy hatrany amin'ny rano madio

Rehefa avy milomano anaty ranomasina dia tsara raha kobanina haingana amin’ny rano madio ny volo mba hanesorana ny sira sy ny fasika. Tsy voatery tonga dia sasana be amin’ny shampoing fa ny fanakobanana tsara azy dia efa manampy betsaka amin’ny fisorohana ny fahamainana. Rehefa tonga any an-trano dia sasana tsara amin’ny shampoing malefaka ny volo.

Manao « masque » amin’ny akora natoraly

Rehefa avy nilalao ranomasina nandritra ny andro tontolo dia ilaina ny manao « masque » amin’ny akora natoraly mba hameranana ny hamandoan’ny volo sy ny fahalefahany. Anisan’ny « masque » natoraly atao ohatra ny:
-Vahona sy menaka voanio: manome hamandoana sy mamelona ny volo.
-Yaourt sy tantely: mampalefaka sy mampangirana ny volo.
-Zavoka sy menaka oliva: mamelona lalina ny volo tena maina.
Avela hilona 20 ka hatramin'ny 30 minitra eo amin’ny volo avy nosasana, avy eo kobanina tsara.

Ireo fahadisoana tokony hialana

Ireto no fahazarana mety hampitombo ny fahasimban'ny volo tratran’ny ranomasina:
-mamela ny sira hijanona eo amin'ny volo mandritra ny tontolo andro;
-mibango ny volo lena amin'ny borosy fa tsy amin'ny fihogo manana nify malalaka;
-mandoko na manala loko ny volo fotoana fohy alohan’ny handeha fialantsasatra;
-mampiasa fitaovana mafana isan'andro rehefa avy nilomano;
-tsy manao fikarakarana mamelona ny volo.

Lire la suite

Articles Similaires