Fitandroana ny filaminana : Amafisina ny fisavana, indrindra ireo fiara manana « vitre fumée »
Ho henjana kokoa ny fisavana hotanterahin'ireo mpitandro filaminana, noho ny fisian'ny fahaverezan'olona nisesisesy tato ho ato. Samy ho tratran'izay fisavana izay avokoa, na ny fiara, na ny olona, izay heverina fa mety mampiahiahy.
Niara-nanao fanambarana, omaly 7 jolay 2026, ny vondron'ny mpitandro filaminana ahitana ny Polisim-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena sy ny Tafika, niaraka tamin'ny avy eo anivon'ny Fampanoavana. Nandritra izany no nampahafantaran'izy ireo ny fanamafisana ireo fepetra noraisina, ho fitandroana ny filaminana, ao anatin'izao tranga fahaverezan'olona, izay mampisavorovoro ny saim-bahoaka izao.
Nampitomboina ny isan’ireo eny an-kianja
Nambaran'izy ireo fa hampitomboina ny isan'ireo mpitandro ny filaminana hanatanteraka fisafoana manerana an'i Madagasikara. Raha ho an'ny andron'ny omaly dia niisa 200 avy izy ireo, avy amin'ny Polisim-pirenena, ny Zandarimariam-pirenena sy ny Tafika, no nidina an-kianja, mitsofoka hatrany anaty elakela-trano rehetra any, hoy ny commissaire divisionnaire Tsaramonina Ravony Jean Victor, tale jeneralin'ny polisim-pirenena (DGPN).
Araka ny fanazavana dia hanatanteraka fisavana amin'ireo izay mety hampiahiahy rehetra ireo mpitandro filaminana ireo. Isan'ny notsindriana manokana ny momba ireo fiara manana fitaratra mainty (vitre fumée). Nambaran'ireo tomponandaikitra avy eo anivon'ny vondron'ny mpitandro filaminana mantsy, fa ny fiara tahaka izany no ampiasain'ireo olon-dratsy amin'ny fangalaran-jaza. "Raha tsy manana fahazoan-dalana amin'izany ianao dia esory", hoy ny tale jeneralin'ny polisim-pirenena. Na ireo fiaram-panjakana misy "cocarde" aza dia handalo izay fisavana izay avokoa, araka ny fanambarana.
Tranga fampisavorovoroana saim-bahoaka
Na ny olombelona ihany koa aza, rehefa misy ny fanahiana, ary indrindra ireo mivezivezy amin'ny alina, dia hosavain'ireo mpitandro ny filaminana. Momba izay indrindra, dia nangataka ny fiaraha-miasa amin'ny olom-pirenena tsy an-kanavaka ireo tomponandraikitra nanao fanambarana omaly, ka tsy hisalasala ny hampandre ireo mpitandro filaminana, raha tojo tranga mampiahiahy. Azo atonina avy hatrany ireny Polisy miasa eny an-kianja ireny raha misy ilàna izany, ary efa misy ihany koa ny laharan-tariby nozaraina. Nilaza ny tsy handefitra amin'ireo olon-dratsy izy ireo.
Copyright Image : © Polisim-pirenena
Ankoatra izay dia misy ihany koa, araka ny nambara, ireo kaonty fako mampisavoritaka saim-bahoaka any anaty tambajotran-tserasera. Isan'ireo handraisana fepetra ireny olona mamorona tranga mampihorohoro ireny ary efa fantatra avokoa ireo kaonty fako mpanao izany, hoy ny vondron'ny mpitandro filaminana.
Araka ny fantatra moa dia baiko mivantana avy amin'ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, izao fanamafisana ny fitandroana ny filaminana eto Madagasikara izao. Mbola hitohy hatrany ity hetsika ity, ho famongorana ny asa ratsy, izay miendrika fanakorontanana ny firenena.




