• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Top Santé
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo fahazarana amin’ny hariva manakorontana moramora ny fandevonan-kanina

06/07/2026 16:48 © Moov.Mg

Maro amintsika no miala sasatra amin’ny fomba samihafa rehefa hariva ny andro : misakafo, mijery fahitalavitra, mampiasa finday na mitsotsotra matory avy hatrany rehefa voky. Misy amin’ireo fahazarana ireo nefa no mety manakorontana moramora ny fandevonan-kanina nefa tsy fantatsika akory. Ireto avy àry ireo fahazarana amin’ny hariva mety hanimba tsikelikely ny fandevonan-kanina ka tokony ho tandremana.

Misakafo tara loatra amin’ny hariva

Anisan’ny fahazarana mahazatra ny misakafo hariva akaiky loatra ny ora fatoriana. Rehefa mandeha matory fotoana fohy aorian’ny sakafo isika dia tsy ampy ny fotoana ananan’ny vatana handevonana tsara ny sakafo. Izany dia mety hiteraka fiverenan’ny asidra avy amin’ny vavony, fahatsapana mavaivay ao amin’ny tratra ary fahatsapana mavesatra.
Torohevitra: Tsara raha miezaka misakafo hariva farafahakeliny adiny roa ka hatramin'ny adiny telo alohan'ny hatory.

Mihinana sakafo be loatra na matavy loatra

Aorian’ny tontolo andro mandreraka dia mety halaim-panahy isika hihinana sakafo be, matavy, mamy be na sakafo efa voahodina. Ireo karazana sakafo ireo nefa dia mitaky ezaka bebe kokoa amin’ny rafi-pandevonan-kanina ka mety hiteraka « ballonnements », fanaintainan'ny kibo ary olana amin'ny torimaso.
Torohevitra: Aleo misafidy sakafo hariva maivana sy voalanjalanja, ahitana legioma, proteinina ary »glucide » amin'ny fatra antonony.

Mandany fotoana be eo anoloan'ny efijery

Lasa ampahany amin'ny fiainana andavanandro ny finday, fahitalavitra, solosaina ary « tablette ». Ny fijerena efijery mandritra ny fotoana maharitra amin’ny hariva nefa dia mety hisy fiantraikany ankolaka amin’ny fandevonan-kanina. Mety hanelingelina ny famantaranandron'ny vatana sy hampihena ny kalitaon'ny torimaso izany, nefa ny torimaso tsara kalitao sy ampy dia tena ilaina amin'ny fiasan'ny rafi-pandevonan-kanina.
Torohevitra: Ahena ny fampiasana efijery alohan'ny hatory, ary mifidy fahazarana mampitony toy ny famakiana boky na « méditation ».

Misotro kafe na zava-pisotro manaitaitra amin'ny hariva

Misy olona mbola misotro kafe, dite mahery na zava-pisotro manome hery amin'ny hariva. Ireo zava-pisotro ireo dia manaitaitra ny rafi-pitatitra (système nerveux) ary mety hampitombo ny famokarana asidra ao amin'ny vavony, ka mahatonga mavaivay sy olana amin'ny fandevonan-kanina.
Torohevitra: Ahena na ialana ny zava-pisotro misy kafeina aorian'ny tolakandro. Aleo misotro dite manampy ny fandevonan-kanina.

Tia mihinankinana na tsakitsaky kely matetika amin'ny alina

Ny fihinanana tsakitsaky amin'ny alina dia fahazarana iray mety hanakorontana ny fiasan'ny rafi-pandevonan-kanina. Ny « chips », « biscuit », vatomamy na sakafo matavy hohanina eo am-pijerena fahitalavitra dia manery ny vavony hiasa amin'ny fotoana tokony hialany sasatra.
Torohevitra: Raha sendra noana amin'ny alina, dia aleo misafidy sakafo maivana toy ny voankazo, yaourt na voanjo vitsivitsy.

Mandry avy hatrany aorian'ny sakafo

Ny fandriana avy hatrany aorian'ny sakafo hariva dia mampitombo ny mety hiverenan'ny asidra avy amin'ny vavony mankany amin'ny lalan-kanina, ka miteraka mavaivay sy tsy fahazoana aina. Ankoatra izany dia mety hampiadana ny fizotran'ny fandevonan-kanina ihany koa izany.
Torohevitra: Tsara raha mipetraka na mandehandeha moramora mandritra ny fotoana fohy aorian'ny sakafo alohan'ny hatoriana.

Lire la suite

Articles Similaires