Huile de ricin : Mampaniry sy mampangirana ny volo
Tsy vitsy ireo sahirana amin'ny fikarakarana volo amin'izao ririnina izao. Noho ny hatsiaka mantsy, mora makiana sy vakivaky ny volo, na ho an'ny vehivavy na ho an'ny lehilahy.
Lafovidy sady misy akora simika ny ankamaroan'ireo karazam-bokatra indostrialy ho an'ny volo. Mila fitandremana tokoa na ny fisafidianana azy ireny aza, arakaraka ny karazam-bolo sy ny fikolokoloana tokony atao. Tsara kokoa araka izany ny misafidy vokatra natoraly.
Huile de ricin, vokatra mety amin'ny volo rehetra
Fampiasa andavan'andro ny huile de ricin, izany hoe azo atao "huile de coiffage". Raha toa nefa ka efa "gras" ny volo, isaky ny mialoha ny hanasa loha ihany no ampiasaina ny menaka. Somary atao "bain d'huile", izany hoe hosorana ary avela hilona mandritra ny 10 na 15 minitra eo ho eo.
Ireto avy ny tombontsoa azo avy amin'ny Huile de ricin :
Manamafy ny fototry ny volo ;
Mampaniry sy mampatevina volo haingana ;
Mapaniry volo sola na ny volomaso ;
Mampaniry volombava amin’ny faritra manify ;
Manakana ny volo ho vakivaky na tapatapaka.
Tsara ny manamarika fa azo hitsaboana hoditra ihany koa ny Huile de ricin : hoditra makiana, vakivaky na may. Tsy anenenana mihitsy araka izany ny fananana io karazana menaka io ao an-trano.




