• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Univers Pharmacie
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ireo zavatra tsy ampoizina mety hahatonga « irritation » ny hoditra

01/06/2026 13:17 © Moov.Mg

Misy fotoana ny hoditra mety mivaramena, mangidihidy, maina na misy « irritation » tampoka nefa tsy fantatra mazava ny anton’izany. Matetika rehefa misy olana amin’ny hoditra ny savony, « crème » na sakafo no eritreretina mety nahatonga izany. Marihana nefa fa misy zavatra madinika fanaontsika isan’andro, heverina ho tsy mampaninona, nefa mety hisy fiantraikany amin’ny hoditra ihany koa. Araho eto àry ny santionany amin’ireo zavatra tsy ampoizana mety hahatonga « irritation » ny hoditra.

Zavatra tsy ampoizina mety hahatonga « irritation » ny hoditra : ny finday

Isan’ireo zavatra tsy ampoizina mety hahatonga « irritation » ny hoditra ny finday. Kitihana sy raisina lava, apetrapetraka eny rehetra eny, atao anaty paosy na anaty poketra… avy eo nefa apetaka amin’ny takolaka rehefa miantso. Mora manangona bakteria, vovoka, hatsembohana sy loto isan-karazany izy io ka mety mahatonga mony, mivaramena sy « irritation » amin’ny tarehy. Ny fanadiovana matetika amin’ny lamba madio na « lingette » ny « écran » dia afaka manampy betsaka amin’ny fiarovana ny hoditra.

Ny fonon’ondana

Ora maro isan-kalina no ifampikasohan’ny tarehy amin’ny ondana. Ao anatin’izany fotoana izany dia mety hijanona eo amin’ny fonon’ondana ny menaka voajanahary avy amin’ny hoditra (sébum), ny hatsembohana, ny vokatra amin’ny volo... Raha tsy soloina matetika izy io dia mety hivangongo ireo loto ireo ka hifandray amin’ny hoditra mandritra ny torimaso. Izany moa dia mety hiteraka mony, fahamainana na « irritation » amin’ny hodi-tava. Mety hanampy hisorohana izany ny fanoloana ny fonon’ondana indray mandeha na indroa isan-kerinandro.

Ny akanjo vao avy nosasana

Zavatra isan’ny tsy ampoizina mety hahatonga « irritation » ny hoditra ny akanjo vao avy nosasana. Mety hahagaga izany satria tokony ho madio sy tsy atahorana izy ireny raha ny tokony ho izy. Marihana nefa misy savony fanasan-damba sasany misy hanitra na akora mety tsy zakan’ny hoditra. Indraindray izy ireny dia mijanona ao amin’ny lamba, indrindra raha ratsy kobana. Rehefa mifampikasoka amin’ny vatana ilay akanjo dia mety hiteraka mangidihidy, mena na « irritation ». Raha manana hoditra « sensible » dia aleo savony malefaka na tsy misy fofona no ampiasaina hanasana ny lamba.

Ny rano mafana loatra

Mahafinaritra ny mandro amin’ny rano mafana, indrindra rehefa mangatsiaka ny andro na rehefa reraka. Ny hoditra nefa dia tsy dia tia hafanana be loatra. Ny rano mafana dia mety manala ny menaka voajanahary miaro ny hoditra. Rehefa very io fiarovana io dia mety ho maina haingana ny hoditra, hisy mirirotra, na hahatsapa mangidihidy rehefa avy mandro. Rano matimaty na somary mafana no tsara kokoa ho an’ny hoditra, indrindra raha efa maina na marefo izy io.

Ny firavaka sasany

Mety hisy « métal » toy ny « nickel » ao anatin’ny kavina, famataranadro, rojo, fehin-kibo… Misy olona sasany mety tsy hahazaka izany ny hodiny na dia tsy nisy « allergie » aza teo aloha. Mety hiseho amin’ny endrika mivaramena, mangidihidy, na tasy amin’ny faritra ikasohany eo amin’ny hoditra izany tsy fahazakana izany. Raha miverimberina izany dia tsara ny manamarina raha ilay firavaka na « métal » no antony mahatonga ilay « irritation » amin’ny hoditra.

Ny rarintsaina

Tsy ny vatana sy ny saina ihany no voakasiky ny rarintsaina fa ny hoditra ihany koa. Betsaka ny olona mahatsikaritra fa rehefa be adin-tsaina dia vao mainka miseho ny mony, mivaramena, mangidihidy sy aretin-koditra sasany toy ny « psoriasis » sy « ezcéma ». Ny anton’izany dia satria mifandray akaiky ny hoditra sy ny fiovan’ny hormonina ao amin’ny vatana. Rehefa miakatra ny rarintsaina dia mety hampitombo « inflammation » ka hitarika « irritation ».,Na dia tsy azo ialana tanteraka aza ny rarintsaina dia mety hanampy ny torimaso ampy, ny fakana aina ary ny fiezahana maka fotoana hialana sasatra.

Rahoviana no tokony hanatona mpitsabo?

Raha maharitra ela ny « irritation » ny hoditra, miharatsy, miparitaka, na manaintaina dia tsara ny manatona mpitsabo na « dermatologue ». Indraindray mantsy dia mety mila fitsaboana manokana na mila fantarina mazava ny tena antony.

Lire la suite

Articles Similaires