Matetika misy « aphte » : ireo antony mety mahatonga izany
Ny « aphte » dia fery kely maharary miseho ao anaty vava, eny amin’ny takolaka, ny molotra na ny lela. Na dia tsy mampidi-doza aza izy, ary matetika sitrana ao anatin’ny andro vitsivitsy, dia mety hanorisory sy hampanahy raha miverimberina matetika. Matetika dia ny rarintsaina na ny fery vokatry ny fitsakoana tsy nahy no azaina ho antony mampiverimberina ny « aphte », fa ankoatra izay dia misy ihany koa ireo antony hafa tsy dia fantatra loatra.
Antony mety mampiverimberina ny « aphte » : tsy fahampian’ny otrikaina
Isan’ny antony mety mampiverimberina ny « aphte » ny tsy fahampian’ny otrikaina sasany ilain’ny vatana. Ny tsy fahampian’ny vitamina B12, « fer », na « acide folique » dia mety hahatonga ny hoditra ao anaty vava ho mora simba. Rehefa tsy ampy ireo, dia mora mipoitra ny fery.
« Sensibilité » amin’ny sakafo sasany
Misy sakafo mety hampipoitra « aphte » amin’ny olona sasany. Anisan’izany ny voanjo, sôkôla, fromazy, voankazo marikivy (toy ny voasary), na sakafo masiaka be. Indraindray dia tsy tena « allergie » moa ny tsy fahazakan’ny ati-vava ireo sakafo voalaza ireo fa « irritation » fotsiny ihany.
Vokatra (produits) fanadiovana nify
Misy akora ao amin’ny « dentifrice » sasany, toy ny « laurylsulfate de sodium », izay mety hitarika « sensibilité » eo amin’ny ati-vava. Amin’ny olona sasany dia mety mampitombo ny fisehon’ny « aphte » ny fampiasana azy io amin’ny fiborosiana nify isan’andro.
Fiovan’ny hormonina
Ny fiovan’ny hormonina, indrindra amin’ny vehivavy, dia mety hisy fiantraikany amin’ny fipoitran’ny « aphte ». Misy mahatsikaritra fa mipoitra kokoa io karazana fery kely anaty vava io alohan’ny fadimbolana, mandritra ny fitondrana vohoka, na amin’ny vanim-potoana misy fiovana hormonina.
Tsy fifandanjan’ny hery fiarovan’ny vatana
Rehefa malemy ny hery fiarovan’ny vatana dia mora miseho ny « aphte ». Mety ho mifanohitra amin’izany koa anefa: indraindray dia mihetsika be loatra ny hery fiarovana ka manafika ny sela ao anaty vava.
Rarintsaina sy havizanana
Na dia efa fantatra aza dia matetika tsy dia rarahiana firy ny fiantraikan’ny rarintsaina amin’ny vatana. Mampihena ny hery fiarovana izy io ka mety hampisy na hampitombo ny « aphte », indrindra raha miaraka amin’ny havizanana.
Aretina miafina ambadika
Indraindray, ny « aphte » miverimberina dia mety misy ifandraisany amin’ny aretina sasany toy ny olana amin’ny fandevonan-kanina (toy ny maladie cœliaque na maladie de Crohn) na aretina « auto-immune ». Raha miverimberina be, maro, na tena maharary ny « aphte » dia tsara hatrany ny manatona dokotera.
Ahoana no hampihenana ny fisehony ?
Misy fomba tsotra afaka manampy hampihenana ny fisehon’ny « aphte » :
-Mihinana sakafo voalanjalanja sy manankarena vitamina,
-Tsy mihinana ireo sakafo fantatra fa mampipoitra « aphte »,
-Misafidy « dentifrice » tsy misy akora « irritant »,
-Mifehy ny rarintsaina sy matory tsara,
-Mitandro ny fahadiovan’ny ati-vava sy ny nify.




