• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Journal Des Femmes
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fantatrao ve fa misy fiantraikany eo amin’ny hoditra ny rarintsaina ?

06/05/2026 14:12 © Moov.Mg

Anisan’ny zavatra iainantsika isan’andro amin’izao fotoana izao ny rarintsaina. Na maharitra na vetivety izy io, dia tsy ny saina ihany no voakasika fa mety hisy fiantraikany amin’ny vatana koa, indrindra amin’ny hoditra. Matetika ny hoditra dia heverina ho fitaratry ny toe-piainana ao anatintsika, ka mora miseho eo aminy ny fisian’ny rarintsaina. Ahoana àry no fiantraikan’ny rarintsaina amin’ny hoditra, ary ahoana no ahafahana mampihena ny voka-dratsiny ?

Ahoana no fiantran’ny rarintsaina amin’ny hoditra ?

Rehefa tratran’ny rarintsaina isika dia mamoaka hormonina toy ny « cortisol » ny vatana. Raha be loatra io hormonina io dia manelingelina ny fiasan’ny hoditra amin’ny lafiny maro :
-Mitombo ny famokarana menaka (sébum) : mampitombo ny asan’ny « glandes sébacées » ny rarintsaina ka mety hiteraka mony.
-Mihena ny fiarovan’ny hoditra : lasa mora marefo, maina ary mora voan’ny « irritation » ny hoditra.
-Mampitombo ny fivontosana (inflammation) : mety hiharatsy ny aretin-koditra toy ny « eczéma », « psoriasis » na « rosacée ».
-Miadana ny fahasitranana : ela kokoa vao sitrana ny ratra sy ny mony.
-Mampandeha haingana ny fahanterana : mety hiseho aloha ny ketrona sy ny hoditra malazo.

Ireo soritr’aretina hita maso

Samy hafa ny fisehon’ny rarintsaina eo amin’ny hoditra amin’ny olona tsirairay, saingy ireto no matetika hita :
-Misy mony mipoitra tampoka na mitombo be ny mony raha efa misy,
-Misy mivaramena sy « irritations »,
-Mivaloarika sy malazo ny hoditra,
-Misy « cernes » sy « poches » eo ambany maso,
-Fahatsapana ho makiana na mangidihidy eo amin’ny hoditra.
Indraindray dia vao mainka mampitombo rarintsaina ireo soritr’aretina ireo, ka lasa « cercle vicieux ».

Ahoana no hiarovana ny hoditra amin’ny rarintsaina ?

Mba hiarovana ny hoditra amin’ny vokadratsin’ny rarintsaina dia misy ireo fomba tsotra afaka manampy :
-Manaraka « routine de soin » na fikarakarana hoditra sahaza
Diovina amin’ny fomba malefaka ny hoditra, asiana « crème » mampihena ny fahamainana isan’andro. Vokatra mifanaraka amin’ny karazan-koditry ny tena ny vokatra ampiasaina. Ny vokatra mampitony sy misy « antioxydants » no isany tena ilaina.
-Mifehy ny rarintsaina
Ny fikarakarana ny hoditra dia tsy misaraka amin’ny fikarakarana ny saina. Azo atao ny manandrana « méditation », « yoga », na fanazaran-tena amin’ny fifohana rivotra lalina mba hifehezana ny rarintsaina.
-Matory ampy
Zava-dehibe amin’ny fanavaozana ny sela ny torimaso. Ny tsy fahampian-torimaso dia mampitombo ny soritr’aretin’ny havizanana sy ny fahanterana, indrindra eo anivon’ny hoditra.
-Mihinana sakafo voalanjalanja
Ilaina ny mihinana sakafo manankarena vitamina, mineraly ary « antioxydants » (voankazo, legioma, voanjo, trondro matavy) mba hitazomana ny fahasalamana sy ny fahatanoran’ny hoditra. Fadiana ny siramamy be loatra sy ny sakafo voahodina.
-Manao fanatanjahantena
Manampy amin’ny fampihenana rarintsaina ny fanatanjahantena ary manatsara ny fivezivezen’ny rà, ka mahatonga ny hoditra ho mamirapiratra kokoa.

Lire la suite

Articles Similaires